Tsy mahavaha olana
Raha atomboka ny jery todiky ny fianam-pirenena tamin’ity taona ity dia azo ambara fa ny olana no betsaka noho ny fahombiazana. Tsy mety mahavaha olana maharitra mihitsy mantsy ny fitondram-panjakana na dia milaza sy miseho ho miasa mafy sady mitady izay hahasoa ny firenena aza. Nanaraka hatraty amin’ny volana desambra ny fahasahiranana manjo ny firenena ary na dia heverina ho volana natao hitoniana hamaranana ny taona aza ny vanim-potoana toy izao dia vao mainka miha mikorontana ny firenena. Niverina indray izao ny delestazy ary vao mainka izany nihamafy. Tsy fantatra izay tena antony mazava satria ny tompon’andraiki-panjakana dia toa mialangalana sy tsy miteny izay tena zava-misy marina. Vao tamin’ity herinandro ity no nilaza ny orinasa Madagascar Oil fa manana solika mavesatra miisa 160 000 barika izay afaka hamatsiana herinaratra ho an’ny vahoakan’Antananarivo mandritra ny 5 volana nefa tsy mbola misy hatramin’izao ny fifanarahana amin’ny orinasa Jirama. Efa nanaovana andrana tamin’ny milina tao Mandroseza anefa io karazana solika vita gasy io nandritra ny volana vitsivitsy ary hita fa tena mety sy azo ampiasaina tsara. Mipetraka ihany ny fanontaniana hoe maninona ny Fanjakana sy ny Jirama no tsy manao izay fomba rehetra hahafahana mampiasa ny solika vita malagasy amin’ny vidiny mora kokoa mba hanodinana ireo milina rehetra an’ny Jirama manerana ny Nosy. Karazan’ny fialana andraikitra hatrany mantsy ny filazana fa tsy ampy ny solika satria tsy manam-bola hividianana izany ny Jirama sy ny Fanjakana satria nony injay tena misy ny solika dia tsy ampiasaina akory.
Mbola olana nanaraka hatraty amin’ny volana desambra ihany koa ny disadisa politika sy ny tsy fahamarinan-toeran’ny fitondrana. Niara-dalana ary niara-nipoaka mantsy ny raharaha mafampana eny amin’ny Antenimieram-pirenena sy ny fisamborana ny mpanao politika Andriamananoro Augustin. Teny an-tokontanim-pasana ity farany no nosamborina nandritra ny fandevenana ny olona akaiky azy. Fantatry ny fitondrana tsara ny maha-saropady ny fahoriana eo amin’ny malagasy nefa toa fanahy iniana mihitsy ny fisamborana teny am-pasana. Azo natao tsara ny nanaraka an’i Augustin Andriamananoro ka nisamborana azy tany an-tranony na tany amin’izay toerana nalehany nefa dia toa fanahy iniana mihitsy ny fihetsika natao azy teny imasom-bahoaka. Ara-dalàna tsara ny fisamborana hoy ny mpahay lalàna sy ny mpitandro filaminana nefa kosa raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia toa vao mainka mandrehitra ny afon’ny disadisa politika iny fisamborana iny. Mazava ho azy mantsy fa tsy maintsy ho tafintohina ireo mpomba ny Mapar sy ny mpiara-dia amin’i Augustin Andriamananoro. Raha ny fanehoan-kevitra etsy sy eroa fotsiny no jerena dia betsaka ireo tafintohina sy mampiaka-peo nilaza ny tsy hanaiky mora ny zava-misy toy izao.
Mbola manamarika izao faramparan’ny taona izao ihany koa ny disadisa tsy an-kijanona eo anivon’ny samy depiote. Lasa fifandroritana sy fifanenjehana ary fampiakarana tanan’akanjo fotsiny sisa ny fivoriana. Tsy fitovian-kevitra ara-politika no mahatonga izany ary maro ny solombavam-bahoaka no milaza fa tena misy ampahany amin’izy ireo nahazo vola sy tombontsoa ka manangan-tanana be fahatany fotsiny. Anisan’ny tena nahatonga fifanjevoana teny Tsimbazaza ny fifidianana ny volavolan-tetibolam-panjakana 2017 sy ny volavolan-dalàna momba ny fampihavanam-pirenena. Samy manana ny arovany sy ny tombontsoa kendreny ny depiote ary manao izay ho afany mba hanohanana ny antoko politika misy azy ireo avy.
Santionany vitsy amin’ny raharaham-pirenena ireo fa ny azo antoka dia tsy hilamina alohan’ny faran’ny taona ity ny disadisa politika sy ny ady amin’ny fahantrana. Mazava ho azy fa hitohy amin’ny taona manaraka izany ary hampitombo ny asa miandry ny mpitondra.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







