Digy Ampasika – Tra-tehaka ilay mpangalatra « panneaux solaire »
Tena manome endrika ny tanàna tokoa ireo « panneaux solaire » raha mihazo iny lalana Digy Ampasika iny isika, indrindra moa rehefa hariva ny andro. Mazava ny lalana ary mahatsiaro ho mandry fahalemana raha sendra tratra alina. Tsy ilaozan’izay olona tia kely anefa eo amin’ny fiarahamonina ka nisy ny fahatratrarana ny lehilahy iray nangalatra « panneaux solaire” teny an-toerana ny alin’ny alatsinainy teo. Mbola hita teo aminy ihany koa ny tohatra fampiasany rehefa mangalatra. Miisa telo ireo jiolahy tamin’io fotoana io fa tafaporitsaka ny roa. Araka ny fantatra dia ny andro avy orana no fotoana tena fanararaotan’ireo mpanao ratsy angalarana ireo fananana iombonana ireo. Tsy vitan’ny manazava ny tanàna fa sady haingo ihany koa. Tamin’ny fanadihadihana natao dia tsy nety niteny ireo namany sy ny toerana misy azy ity jiolahy tratra ambodiomby ity. Ny hany nambarany dia nisy olona naniraka izy ireo. Tsy mba ananana zavatra tsara mihitsy ny toe-tsain’ny sasany izay tsy mba mitsinjo lavitra fa maneho fitiavan-tena. 135 no isan’ny panneaux solaire napetraka tamin’iny lalana iny tany am-boalohany. Ankehitriny dia 92 isa no sisa mandeha ary ny 43 ambiny kosa dia efa lasan’ny mpangalatra. Tokony homena ny sazy faran’izay henjana ny karazan’olona tsy mba mihevitra ny hikajy ny fananana iombonana toy itony. Omaly no naiditra am-ponja ity mpangalatra ity.
Farah
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







