Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Sakaraha – Mifampitifitra ny sivily

Mampiasa basy ny sivily any Sakaraha rehefa hifamono. Lehilahy iray no fantatra fa maty nisy nitifitra tany an-toerana vao tsy ela akory izay. Araka ny tatitry ny zandary dia nisy lehilahy 05 mitondra basim-borona 03 no nitifitra an’i Hamina Damy, 35 taona mipetraka ao fokontany Anketa/ Ambohimandroso kaominina Andranovory Distrika Toliara faharoa. Izy handeha hamonjy tsena no nisy namono io. Fantatra avokoa ireo olona nitifitra azy ireo,  izay samy monina ao Anketa/Tanindraza avokoa. Zandary 04 avy ao amin’ny Andranovory no nidina any an-toerana hanao ny fizahana sy hanao ny famotorana. Mbola tsy fantatra kosa ny anton’io vonoan’olona io na misy fikasana handroba na sotasota sy valifaty tsotra izao. Miandry ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny zandary vao hivoaka ny tena marina rehetra mahakasika ity vonoan’olona ity.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre