Fitsaram-bahoaka – Nisy niaro ilay mpangalatra akoho
Ny aza mba tratran’ny tsy nampoizina ihany. Ela nitoratorahana mantsy ka ny farany dia nahavoa mason’angatra. Ny talata lasa teo dia lehilahy iray mpangalatra akoho no tratran’ny olona teo am-panaovana ny asa ratsiny teny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra, eny Ankatso II. Io toerana nahatratrarany azy io izay malaza amin’ny fanaovana fitsaram-bahoaka dia milaza sahady ny saika nahazo ity rangahy tratra ity. Nisy tokoa ny saika fikasihan-tanana saika hatao io lehilahy io saingy tsy neken’ny tompon’ilay akoho izany. Ity farany no nangataka fanazavana tamin’ilay mpangalatra akoho mba tsy hisian’izay famonoana izay. Ny olona teo amin’ny manodidina izay efa miandry kendry tohina fotsiny ary efa maika ny handoro velona an-drangahy. Ny tena nampihomehy, rehefa nagatahana fanazavana ilay rangahy dia nilaza fa hoe mbola nangery ilay akoho nipetrahany tao anaty harona dia sempotra, ka izay no nahafaty azy. Hita tokoa fa maty ilay akoho izay saika hangalariny. Fotoana vitsy taorian’izay dia tonga maro ireo olona teo an-tànana ka nitangorona ary voatery nandray fanapahan-kevitra ny hitondra azy any amin’ny manam-pahefana ny tompon’ilay akoho. Soa ihany fa sendran’ireo mpianatra malemy fo ity rangahy ity ka tsy nisy nikitika fa raha ny lazan’io toerana nitrangan’ity halatra ity dia efa nodoran’ny mpianatra sy nahantony teny amin’ny pôtôn-jiro ity raim-pianakaviana ity.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







