Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Itaosy Ambohidrapeto – Nahazo fitsaboana ilay zaza mpangataka

Ny talata 13 desambra lasa teo dia nisy lahatsoratra nivoaka teto amin’ny gazety Madagascar Matin mahakasika ilay zaza mpangataka amoron-dalana tena marary mafy noho ny aretina tsy fantatra mahazo azy. Tena efa taolana mifono hoditra araka ny fitenenana ny fahitana azy. Noho ny tsy fahampiana ao an-tokantrano anefa dia tsy mba afaka nanaraka fitsaboana. Ny olona sendra nandalo no nahita azy sy ny anabaviny niara-nangataka teo amoron-dalana ka nanao ny fanaparitahana ny sariny tamin’ny tambajotran-tserasera facebook. Nisy àry ny fikambanana mpanao asa soa sy toeram-pitsaboana iray nandray an-tanana ny fitsaboana azy. Araka ny vaovao azo dia notanterahina omaly ny fitiliana ny aretina rehetra ao amin’ity zaza, izay antsoina hoe Eric ity. Hatreto aloha dia ireo mpikarakara sy ny mpitsabo no mandray an-tanana ny fitsaboana manontolo. Miandry ny valin’ny fitiliana rehetra natao ny mpitsabo vao afaka manome ny vaovao marina mahasika ny tsy fahasalamany. Sarobiny amin’ny Malagasy tokoa izany aina izany ka mbola anjakan’ny voin-kava-mahatratra mandraka ankehitriny. Am-pitiavana sy am-panetren-tena no anatanterahan’izy ireo izao fanampiana ny mpiara-belona izao. Koa raha misy ny te hitondra fanampiana hanohanana azy ireo amin’ny famonjena ity zaza ity dia misy ny laharana finday azo ifandraisana :  032 66 608 43 / 034 68 679 43 / 033 72 906 43 na hitsidika mivantana ao amin’ny Clinique Finaritra eny Malaho Bevalala.

 

Tahirisoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre