Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Ambodimanga Tanamakoa – 500 ariary no namonon’ireo mpanendaka ilay raim-pianakaviana

Miaina ao anaty tebibety ankehitriny ny mponin’i Toamasina satria dia lasa faritra mena avokoa amin’izao izay aleha rehetra, indrindra fa rehefa maizina ny andro. Tsy voatery ho amin’ny alina maizin-kitroka akory vao manao ny asa ratsiny ireo mpanendaka sy mpamaky trano fa rehefa mody fotsiny ny masoandro dia efa miroso amin’ny ataony ry zalahy. Ny tànana rahateo feno elankelan-trano ka vao mainka mahazo aina ireo mpanao ratsy amin’ny fanatanterahana ny asany. Araka ny vaovao azo avy amin’ny mponina any an-toerana dia lasa mitombo ny isan’ny trano vaky ary manginy fotsiny ireo hala-botry majinijinika izay miseho efa ho isan’andro. Ny talata lasa teo izao dia nitrangana vono olona mahatsiravina indray tao Toamasina, tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Ambodimanga Tanamakoa. Raha ny nambaran’ireo mponina eo amin’ny manodidina ny nisehoan’ny loza dia raim-pianakaviana handeha hividy fahana tamin’ny andro hariva no sendran’ny mpanendaka. Misy ireo niteny fa lehilahy maromaro no nitambatra ity lasibatra ity ka tsy afa-niala izy. Tsy hay intsony izany na resaka lonilony no namonoana ity tovolahy ity na tena resa-bola tokoa. Ny mety tsy hisian’ny fahamarinana amin’izay mantsy dia vola kely hividianana « credit » ve no hanendahana azy. Na izany na tsy izany aloha dia tsy namelan’ireo jiolahy ireo ity tovolahy raha tsy tapitra aina. Raha ny fahitana ny razana dia vono sy daroka mahery vaika no nahazo ilay lasibatra fa nahitana  faritra mangana toy ireny voakenda ireny ny vatana mangatsikany. Tsy vitan’izany fa mbola nahitana tsatok’antsy maro koa teny aminy.  Raha ny vaovao azo hatrany dia mbola teny ankodiny avokoa ny taratasy mombamomba azy toy ny karapanondro sy vola majinika maromaro tamin’ny nahitana azy. Ny olona izay nahita ny razana no niantso avy hatrany ny mpitandro filaminana saingy tsy afaka nanao inona intsony izy ireo satria efa nitsoaka ireo nahavanon-doza. Misokatra ny fanadihadihana ary manentana hatrany ny mponina rehetra any Toamasina ireo tompon’andraikitry ny filaminana sy fiarovam-bahoaka mba ho mailo sy hiara-hiasa amin’izy ireo rehefa misy ny olona ahiahiana.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre