Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Tsy mahay mamela heloka

Nahavariana ny maro ny fihetsika nasehon’ireo depiote mpomba ny fitondrana nanoloana ilay resaka famotsoran-keloka faobe tao anatin’ny lalàna mifehy ny fampihavanam-pirenena. Nisy fepetra mantsy ilay famotsoran-keloka ary maro ireo solombavam-bahoaka mitonona ho mpiara-dia amin’ny fitondrana no nilaza fa tsy mety ny fisian’ny tsy maty manota. Nisy ihany koa niteny hoe mila miaiky heloka aloha vao voavela heloka. Karazan’ny valy boraingina araka ny filazan’ny tanora azy io satria ny heloka politika tsy mitovy amin’ny fahotana ny fomba fitsarana azy. Ny atao hoe olo-meloka mantsy eo amin’ny lalànan’ny olombelona dia ireo heverina ho nandika lalàna ka namoahan’ny fitsarana didy fanamelohana na fanasaziana. Ny atao hoe famotsoran-keloka izany dia ny famafana ireny sazy nomen’ny fitsarana ireny. Izany hoe ny fitsarana ihany no afaka manameloka olona iray fa tsy ny fahavalo ara-politika akory.  Hatreto izany dia ireo olona voaheloky ny fitsarana noho ny resaka politika no antsoina hoe meloka ary mila famotsoran-keloka. Mahagaga ihany noho izany ny antony hiresahan’ny depiote Hvm hoe mila miaiky heloka vao homena famotsoran-keloka.

Mbola tsy mazava amin’ny rehetra ihany koa ny antony namaritana ny taona teo anelanelan’ny 2002 sy 2009 ho fenitra hanaovana ny fampihavanam-pirenena. Tsy tamin’ireo fotoana ireo ihany mantsy no nisy krizy politika teto Madagasikara fa efa hatramin’ny taona 1972 sy ny 1991 ary hatramin’izao 2016 izao dia mbola mananontanona sy atahorana hipoaka ny hetsi-bahoaka mety hitarika ny fandrodanana ny fitondrana. Porofo manamarina izany ny fandraisan’ny mpitondra fepetra hentitra entina handravana sy hanakanana ny hetsika fanehoan-kevitra an-dalam-be rehetra. Mpitandro filaminana an-jatony no alefa eny Analakely sy Ambohijatovo ary Ankatso raha vao misy antokon’olona na fikambanana milaza ny haneho hevitra ara-politika ankalamanjana. Na fitakiana tsotra izay ataon’ny sendika sy ny fikambanan’ny mpianatra ary ny mpanao gazety aza dia tsy avela fa ravan’ny mpitandro filaminana hatrany. Misy rahateo ny didy mivoaka fa tsy misy na iza na iza afaka manao famoriam-bahoaka eny an-dalam-be amin’ny toerana rehetra eto Madagasikara raha tsy mahazo alalana avy amin’ny tompon’andraiki-panjakana. Tsy misy mety manome fahazoan-dalana anefa ireny tompon’andraikitra ireny. Mazava ho azy fa lazain’ny mpitandro filaminana fa tsy ara-dalàna ny hetsika rehetra ka tsy maintsy ravan’izy ireo.

Tsy fantatra intsony, noho izany, na fampihavanam-pirenena na fampisaraham-bazana no tena takiana eto amin’ny firenena satria ny fanapahan-kevitra rehetra izay raisin’ny mpitondra, manoloana ny resaka politika sy ny fitantanam-bahoaka dia vao mainka miteraka savorovoro. Iny fisamborana an’i Augustin Andriamananoro teny am-pandevenana iny izao dia efa noraisin’ny rehetra ho fihantsiana atao amin’ny antoko politika Mapar sahady. Efa mba saika nilamindamina kely ny resaka politika tamin’ireny frankofonia ireny dia io nisavoritaka indray noho ny afitsok’ireo mpanohana ny fitondrana sy ny mpitondra ihany. Mbola mampiteraka savorovoro eto amin’ny firenena ihany koa ny fihetsika asehon’ireo depiote mpanohana satria toa manaraka be fahatany izay tian’ny Goverrnemanta hatao eto Madagsaikara izy ireo. Tsy mahay mamela heloka nefa mety ho olo-meloka ihany koa ny olona sasany eo anivon’ny fitondram-panjakana. Eny amin’ny Antenimieram-pirenena izao dia efa matetika ny solombavam-bahoaka no mitaraina fa tena misy ny fanaovana kolikoly amin’ny tsangan-tanana fandaniana volavolan-dalàna. Efa nanao izay hoafany ihany ny birao mahaleo tena mitsirika ny kolikoly nanatanteraka ny fepetra hahafahana manao fanadihadiana nefa tsy nomen’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena alalana hanao ny asany mihitsy. Misy afenina ve ao sa misy heloka tsy tiana haseho ? Toerana ifandimbiasana anefa ny fitantanana ny raharaham-panjakana ka ny manam-pahefana anio mivadika ho olon-tsotra na mpanao politika eo amin’ny toeran’ny mpanohitra rahampitso. Amin’izay fotoana izay vao hivaly amin’izy ireo ny ratsy nataony rehetra.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre