Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Rn2 – Miverina ny fanakanan-dalana

Tsy mijanona any amin’ny Rn7 mankany atsimo intsony ireo mpanakan-dalana fa lasa manitatra ny asa ratsiny eny amin’ny lalam-pirenena faharoa mampitohy an’Antananrivo sy Toamasina indray. Omaly vao maraim-be dia taksiborosy iray no voatafika tao Ambanitsena. Fiara 3 izy ireo no niaraka fa ny roa hafa vao nahita ilay sakana dia afaka nihodina niverina. Ilay mazda sisa tavela teo ary tsy afaka nandingana ireo vatobe teo afovoan-dalana. Nitifitra avy hatrany ireo mpanakan-dalana ary voa ny mpamily. Toa efa fantatr’ireo jiolahy ny olona rehetra tao anaty fiara sy ny vola ary firavaka tany aminy ka dia nibaiko sy nitango fotsiny ireo mpanafika. Tsy nisy sahy nanohitra rahateo ny rehetra fa natahotra vao nahita ilay mpamily voatifitra. Fantatra fa nisy olona iray nampiahiahy niala teny an-dalana izay toa nanara-maso sy nanisa ny mpandeha rehetra talohan’ny nidinany ny fiara.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre