Ambatofinandrahana – Dahalo 40 nangalatra omby miisa 100
Samy manontany tena ny rehetra amin’ity tsy fandriam-pahalemana manerana ny nosy ity, indrindra ny resaka halatr’omby. Misy ny fomba fanao any amin’ny foko izy ity, toy ny hoe tsy mahazo vady ny lehilahy raha tsy mangalatra omby, saingy tsy miteny kosa ny fianakavian-dravehivavy fa omby zato no takalon-janany. Efa asan-dahalo no mitranga rehefa izay no miseho. Tamin’ny alatsinainy 12 desambra 2016 tamin’ny 10 ora alina dia malaso miisa efapolo eo ho eo no nangalatra omby miisa 100 mahery, tany amin’ny fokontany Antsenjabe, kaominina ambanivohitra Amborompotsy, distrika Ambatofinandrahana, Faritra Amoron’i Mania. Nisy ny fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika nandritra ny fanafihana ka olona roa tamin’ny fokonolona no maty voatifitry ny dahalo. Taorian’ny fanafihana dia nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona fa tsy niandry ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana. Nisy nampandre ihany ity farany ka avy hatrany dia roso nanampy ny vahoaka izy ireo. Ny zandary sasany avy ao amin’ny borigadin’Amborompotsy kosa namonjy nivantana nanao ny fiambenana ny kizo. Rehefa tena dinihina dia any amin’ny lafiny fanabeazana no mila arenina mafy. Satria vao kely ireo zaza dia efa manomana ny tenany ho dahalo. Manamboatra basy hazo ka manao sarisarin-dahalo. Tamin’ny fotoana niasanay tany amin’ny kaominina iray tany amin’ny faritra Androy nandritra ny fotoam-pialan-tsasatra tamin’ny taona 2008 dia nahasahy niteny ireo zazalahy kely sasany fa “hanao dahalo rehefa lehibe”. Zaza any an-tsekoly avokoa anefa ireo niresaka taminay.
Tahirisoa
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







