Ihosy – Dimy mianadahy tratra nifoka sy nivarotra rongony
Na eto an-drenivohitra aza dia ady mbola mitohy ny fiadiana amin’ny fifohana zava-mahadomelina indrindra fa ny rongony. Na efa maro aza ireo mpifoka rongony sy mpivarotra efa tratra dia tsy mbola lany tamingana izy ireny fa mbola mitohy foana izany. Tsy lany ny rongony ary mbola misy mividy sy mifoka foana. Ny talata lasa teo, vokatry ny fanadihadiana nataon’ny polisy dia mpifoka sy mpivarotra rongony miisa dimy no sarona tao Ihosy. Renim-pianakaviana ny iray amin’izy ireo, izay sady mifoka no miandraikitra ny famarotana izany. Vao maraina tao amin’ny toeram-pivoriana no nahatratraran’ny mpitandro filaminana azy ireo, ary fiaraha-miasa tamin’ny fokonolona no nahafahana nahitana ny toerana fivarotana sy fifohan’izy ireo zava-mahadomelina. Fonosana rongony 19 nilanja teo amin’ny 02 kg teo no tratra tao amin’izy ireo. Raha ny voalazan’ny polisy any an-toerana dia tena mirongatra be ny varotra sy fifohana ity zava-mamohehitra ny tanora ity. Antony iray mahatonga ny tsy fandriam-pahalemana any an-toerana, satria tsy mifidy taona sy maha lahy sy maha vavy intsony ny fidorohana azy. Vokatr’ izany toe-javatra izany, dia baiko hentitra no azon’izy ireo ny amin’ny tokony hamongorana hatramin’ny fakany ny fifohana sy ny famarotana ary ny fitaterana ny rongony ; izay iaraha-mahalala fa fanetriben’ny tanàna sy ny hoavin’ny tanora ary ny filaminam-bahoaka. Tao anatin’ny iray volana nanamafisan’ny polisy ny ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina any an-toerana dia efa mahatratra 10 mahery izay ireo tratra teo am-pifohana sy am-pivarotana. Ny sasany tamin’izany dia lehilahy izay mpamongady rongony nahatrarana 25kg ny fonosana iray. Miisa 2 kosa ny vehivavy izay vao 17 taona monja nefa sady mpifoka no mpivarotra. Samy miandry ny fitsarana azy am-ponja ao avokoa izy rehetra ireo ankehitriny.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







