Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Bazarikely Toamasina – Lehilahy mihaja iray tratra nangalatra « short »

Raha mbola mamaivay ny resaka tsy fandriam-pahalemana sy ny vono olona ao Toamasina amin’izao fotoana izao dia tranga somary hafa kely no sady mampihomehy no niseho tao bazary kely omaly, tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro tany ho any. Lehilahy iray azo lazaina fa mihaja, izany hoe tsy maloto akanjo ary tsy paozin’olona mpangalatra mihitsy no tra-tehak’ireo mpiambin-tsena nangalatra fitafiana tao amin’ny tsena iray. Araka ny vaovao azo dia efa ela no nihodinkodina eraka ny tsena io lehilahy io anefa tsy nividy entana na iray monja aza. Nanomboka nanaitra ireo mpiambina noho izany ny fihetsik’io rangahy io ary nanara-maso azy izy ireo. Tao anatin’ny ora vitsivitsy anefa dia mbola nihodina ihany rangahy ary tampotampoka teo dia nijanona teo amin’ilay mpivarotra akanjo iray. Nalainy tamin’izany ny “short” iray sy ambonin’akanjo iray ary avy hatrany izy dia nandeha tsy nandoa vola. Voamarina ny ahiahin’ireo mpiambina tamin’izany ka nanaraka azy avy hatrany ireto farany. Tratra izy ka tonga dia nohodidin’ireo mpiambin-tsena dimy lahy. Nanontaniana izy ny antony nangalany ireo fitafiana ireo saingy tsy nahita navaly. Voatery noentina tany amin’ny mpitandro filaminana ity lehilahy voalaza fa mpangalatra ity. Nampitazomina azy sy nasaina naderaderany eraka ny lalana ireo fitafiana nangalariny ireo. Nitangorona ny olona ary tsy nijanona ny fanarahana sy ny fakàna sary azy raha tsy niditra ny biraon’ny polisy mihitsy izy sy ireo mpiambina nahatratra azy.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre