Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Miandry mpibaiko vao hiasa

Nazava ny baikon’ny praiminisitra omaly fa tsy maintsy mitady fomba hanatsaharana ny delestazy ny Jirama. Zavatra toy izany no tena andrasan’ny vahoaka amin’ny mpitondra Fanjakana. Izany hoe mpitondra fanjakana sy manam-pahefana tsy te hahalala izay olana ara-tekinika fa manery ireo ambany fahefany hitady vahaolana amin’ny fiainam-bahoaka. Matoa ny praiminisitra niteny toy ireny dia tsy fitiavana te hisehoseho fotsiny fa tena fanomezana lanja izay mahasoa ny vahoaka. Mifaningotra akaiky mantsy ny fiainam-bahoaka sy ny Fanjakana satria raha maharary ny iray dia farofy ny ilany. Tsy azo odian-tsy fantatra mantsy fa miteraka savorovoro eo anivon’ny fiarahamonina ary fikomian’ny vahoaka io delestazy io. Efa ampolony ny hetsi-bahoaka izay niteraka fifandonana sy fanimban-javatra noho ny hasorenana nateraky ny delestazy tsy misy fanafany. Maro mihitsy aza ny olona mihevitra fa fanahy iniana ny fanapahana ny jiro satria matetika dia mifanandrify amin’ny hetsika ataon’ny mpitondra Fanjakana hatrany izany. Tamin’ny talata lasa teo izao dia tany Ambatolampy ny filoham-pirenena nametraka ny fotodrafitrasa hitrandrahana herinaratra mandeha amin’ny masoandro ary nilazany fa tafiditra amin’ny ady amin’ny delestazy. Ny androtr’iny mihitsy anefa no niaina ny fahatapahan-jiro nandritra ny iray andro manontolo ny faritra maro teto an-drenivohitra. Toa misy fifanandrifian-javatra ihany ary heverina ho tsy mitombina ny fanazavan’ny Jirama mahakasika ny filazana fa ny tsy fahampian’ny orana no mahatonga ny fahatapahan-jiro satria tsy ampy ny rano anosehana ny milina ao Andekaleka sns. Efa ataon’ny olona fihomehezana sisa ny Jirama rehefa mitondra fanazavana satria mahita fialana andraikitra hatrany. Rehefa maina ny tany dia lazaina fa tsy ampy ny orana. Tsy vao izao anefa no nisy fahataran’ny orana teto Antananarivo fa efa hatramin’izay. Rehefa avy indray ny orana dia lazaina fa nosimban’ny varatra ny fitaovan’ny Jirama ka izay no nahatapaka ny jiro. Rehefa tena betsaka anefa ny rano dia lazaina hatrany fa be loatra ny fako sy antsanga entin’ny rano ka manentsina ny milina.

Fantatry ny praiminisitra angamba fa tsy te hahalala izany fanazavana rehetra izany ny vahoaka ka izay no antony nanomezany baiko tsy maintsy hamerenana amin’ny laoniny ny famatsian-jiro. Raha tena manana teknisianina sy mpitantana mahay ny Jirama dia tsy maintsy mahita fomba hafa hahafahana manafoana io resaka delestazy io. Rehafa mahay mampiakatra ny faktioran-jiro mantsy dia tsy maintsy mifanaraka amin’izay ihany koa ny tolotra homena ny mpanjifa. Tsy miady hevitra ny mpanjifa rehefa mandoa ny faktiora fa manefa izay rehetra voasoratra fa tsy maintsy aloany. Ny Jirama anefa tsy mihatsara fa vao mainka miharatsy ny tolotra omeny. Anisan’ny tena fahoriana ho an’ny rehetra ohatra izany handoa vidin-jiro sy rano izany. Sady efa mibontsina ve ny faktiora no mbola filaharam-be ihany koa ny fandoavana azy eny amin’ny biraon’ny Jirama. Ny banky iraisam-pirenena dia efa tena nilaza fa misy tsy mazava ny fitantanana io orinasam-panjakana io ary misy mpiasa sy tompon’andraikitra ambony tokony hatao fanadihadiana sy esorina ao raha tiana ny hitondra fampandrosoana. Andrasana izany izao izay ho tohin’ny tantara raha ho sahy hanala sy hanasazy izay nanao ny tsy mety ao amin’ny Jirama ao ny Fanjakana. Andrasana ihany koa raha tena manana ny fahefana hibaiko ny Jirama hanatsahatra ny delestazy ny praiminisitra. Raha mbola mitohy tokoa moa ny fahatapahan-jiro lavareny dia hisy mpiasa horoahina ve ao amin’ny Jirama satria tsy nanaraka ny baikon’ny mpitondra Fanjakana. Fanontaniana mipetraka ireo fa aoka ny zava-misy no hitondra ny valiny.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre