Vohiposa – Potipotika ilay fiara nitrongy kamiao avy ao aoriana
Amin’izao faramparan’ny taona izao, indrindra rehefa akaiky fety tahaka izao dia maro ireo lozam-pifamoivoizana mitranga eraka ireny lalam-pirenena ireny, eny na eto an-drenivohitra aza. Asa raha tena misy tokoa ny hoe misintona olona ny taona rehefa hifarana fa raha ny hita aloha dia manamafy izay fieritreretan’ny olona izay. Loza etsy, loza eroa, tsy miaina anaty fandriam-pahalemana intsony ny olombelona ary ny faharatsin’ny lalana vao mainka manampy amin’ny fahatongavan’ny loza. Omaly dia nitrangàna lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona tany amin’ny kaominina Vohiposa, distrika Ambohimahasoa, faritra Matsiatra Ambony. Raha ny vaovao azo tamin’ny mponina dia somary nanorana ny andro tamin’io ary nandeha mafy ihany koa ilay fiara marika Mercedes. Nalama noho izany ny lalana. Iaraha-mahalala fa sady tery no be fiolakolahana ko iny lalana avy any Ambositra mankany Ambohimahasoa iny. Vokatr’izay dia tsy nahatana familiana intsony ilay mpamily ka nanana safidy izy na hilatsaka anaty hantsana na hidona amin’ny vodin’ilay kamiao be izay tsy lavitra fa teo alohany ihany. Ilay fanapahan-kevitra faharoa no voatery noraisin’ity farany ary dia nidona mafy tamin’ny vodin’io kamiao io ilay Mercedes na dia efa niezaka nanindry hisatra fijanonana ihany aza izy. Potipotika vokatr’izany ilay fiara, indrindra fa ny lohany izay tena niforiporitra tokoa. Maty teo noho eo ilay mpamily izay tena nihosin-drà tokoa ary voatery nifampisokirana tao. Ny mpandeha sasany kosa naratra mafy ny ankamaroany ary nisy ihany koa ny maty. Ankehitriny dia mbola tsy fantatra mazava ny isan’ireo olona namoy ny ainy satria nisy mbola velona ny sasany tamin’izy ireo ary nentina tany amin’ny hopitaly. Mbola mitohy ny fanadihadiana.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







