Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Mahanoro – Dimy mianaka maty nisy namono

Renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany vavy 04 ( lucia 10 taona – Larissa 08 taona – Neny 06 taona – Francia 01 taona) no nisy namono tao an-trano, tamin’ny fotoana tsy  nahateo ny vadiny tao an-trano fa lasa nividy Jirofo. Mbola misy zanany 01 antsoina hoe Murielle 03 taona tsy hita na maty na velona hatramin’izao. Nidina tany an-toerana ny zandarimariam-pirenena nanao ny fitsirihana, efa nomena ny fianakaviany ny razana. Ny  sampana fikarohana heloka bevava ao Toamasina no manao ny famotorana. Tsy fantatra izay tena antony nahatonga ity vono olona mahatsiravina ity saingy misy ny mihevitra fa karazan’ny valifaty no ao ambadiky ny raharaha. Mety nalain’ireo mpamono natao takalon’aina mantsy ilay zaza fahadimy tsy hita mba hanerena ny rainy hipotra sy hanaraka ny sitrapon’izy ireo.

 

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre