Rn2 – Fiara nivadika, nosokirina ny fatin’ilay ramatoa
Lalam-pirenena anisan’ny be mpivezivezy indrindra iny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina iny, indrindra amin’izao vaninandro mananontanina ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona izao. Miha maro noho izany ireo fiara tsy maintsy mifamezivezy mitatitra olona eny, na alina na antoandro. Lalana efa ahitana fahasimbana goavana ary anisan’ny olana sedrain’ireo mpamily isan’andro amin’ny lalam-pirenena faharoa ny halavan’ny ahitra maniry an-tsisin-dalana, hany ka rehefa ao anaty fiolahana dia tsy mifankahita ny samy mpamily raha tsy efa mifanakaiky. Mahakasika izany indrindra dia nitrangàna lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’ny lalana mampitohy an’i Brickaville sy Antsapanana ny alakamisy lasa teo. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany no nitrangàn’ny loza ary taksiborosy avy any Toamasina handeha ho aty Antananarivo no voa mafy tamin’izany. Niteraka fitohanam-be ary nivoaka daholo ny olona tao anaty fiara maro nanao « caravane » rehetra. Hatairana ny any rehetra nahita avy eny ambony fiara iray efa potipotika ao amin’ny hady. Nidina avokoa ny lehilahy rehetra ary niroso avy hatrany tamin’ny famoahana ireo naratra rehetra. Marihina fa feno olona ity fiara niharan-doza ity. Raha ny voalazan’ny mponina teo amin’ny manodidina dia somary nandeha mafy io fiara io ary tapaka hisatra dia izy nivadibadika tanaty hantsana io. Maro tamin’ireo mpandeha no naratra mafy teny amin’ny faritry ny lohany, ny vatany ary maro koa ireo tapa-tongotra sy tanana saingy mbola tafavoaka ny fiara avokoa. Ny mpamily no nifampisintomana tao aloha satria noteren’ny familiana sy ny seza nipetrahany. Mbola velona izy saingy very rà be tamin’izany. Nisy renim-pianakaviana roa nitaiza kely ihany koa nipetraka tao aorian’ny mpamily. Ny iray tamin’ireo ramatoa dia tafavoaka ny fiara ka voatsindry tao ambany. Tovolahy efa ho 20 mahery no nisikotra azy vao tafavoaka tao izy. Efa tsy avotra intsony anefa ny ainy vokatry ny hasemporana sy ny dona nahazo azy. Ny tena nahagaga ny maro dia ny zanany amam-bolana, izay mbola natory tamin’ny nahitàna azy dia avotra soa aman-tsara ary tsy nahitana ratra na kely aza. Toa izany koa ilay reny iray. Izy no naratra fa ilay zanany dia nieren-doza. Nentina tany amin’ny hopitaly tao Brickaville ireo naratra rehetra ary fiara sendra nalalaka nijanona teo no nitondra azy ireo.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







