Carion – Kamiao 4 nanjavona
Olona tsara sitra-po no niantso an-telefona ny Cp Carion fa misy kamio “semi-remorque” efatra sakanan’olona enin-dahy mitondra antsy sy basy kilalao. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny zandary miisa 5 nijery ny zava-misy. Efa tsy tratra teo intsony ireo Kamiao ireo fa ny taratasin’ny fiara iray sisa no hita teo. Talohan’ny nahatongavan’ny zandary anefa dia mbola nisy fiara Mazda 01 mampitohy an’i Tana – Brickaville mbola nosakanan’ireo jiolahy ireo ka naviliny nakany Manakavaly/Anjepy izay tanàna sahabo ho 01 Km miala ny Rn2. Navotsitr’ireto dahalo ny fiara mazda ka nifanena tamin’ny Zandary teny an-dalana. Araka ny filazan’ireto tao anaty fiara dia vola mitentina 46 000 000 Fmg no very niaraka tamin’ny entana vitsivitsy. Namonjy haingana io toerana voalaza io ny zandary nefa tsy nisy olona fa sakaosy misy akanjo maromaro fotsiny no teo. Nianavatratra/Antsinanana ny lalan’ireo mpandroba ireo. Tsy fantatra kosa ny zavatra very tao amin’ilay kamiao na inona na inona satria tsy mbola hita ilay tompony. Efa nampandrenesina ny borigady rehetra manodidina mba hanao fanakanana ary ny ao Carion no misahana ny famotorana.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







