Ampasapito – Vehivavy roa nifanoroka tao anaty taksibe
« Vokatry ny fanatontoloana sy ny naman-dratsy daholo izao », toy izao avokoa ny nambaran’ny mpandeha tao anaty taksibe iray raha vao nahita ity tranga nampihomehy amin’ny lafiny iray anefa tena mampalahelo tokoa raha ny amin’ny maha malagasy. Omaly maraina dia vehivavy roa, mbola tanora any ho any amin’ny 25 taona any no nifanoroka teo amin’ny vava tao anatin’ny taksibe iray mankany Analamahitsy. Tsy toa ireny mpinamana misangy ireny intsony fa efa tena toy ireny mpisipa ireny mihitsy satria dia tsy vitan’ny teo amin’ny vava no nifanorohan’izy ireo fa mbola nasiany lela ihany koa. Gaga daholo ny iray fiara ary ny sasany aza dia nihomehy mihitsy noho ilay fihetsika tsy mahazatra ny olona andavanandro. « Nifampisakambina aloha izy roa no sady niresaka. Gaga aho nahita avy eo fa nifanoroka toy ireny mpisipa ireny. Amiko aloha mahagaga anefa tsy atao resa-be izany satria tafiditra anatin’ny fiainan’ny tanora amin’izao », hoy ny rangahy iray niray taksibe taminy. Raha ny nambaran’ity farany ihany dia vehivavy azo lazaina ho maontina sy tsy « jiolahim-bavy » sanatria ireo tovovavy ireo. Tsy toy ireny « sarin-dahy » ireny ihany koa saingy voamarina fa « lesbienne » na vehivavy miaraka amin’ny vehivavy. Rehefa niala ny taksibe izy roavavy dia mbola nifampitantana ary tsy nahitàna endrika menatra akory teny amin’ny tavan’izy ireo. Maro ireo tonga dia hitsara hoe tsy misy saina ary manaotao foana ireo tanorantsika ireo, anefa aoka tsy ho hadinoina fa lasibatry ny fanatontolona izy ireo ary ny sisa azo atao aminy dia ny manoro azy ny lalana tsara tokony hizorany sy fanamafisana ny fanabezana any an-tsekoly hatreny amin’ny anjerimanontolo.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







