Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Mahavita ihany rehefa voatery

Tsy nisy fahatapahan-jiro naharitra be teto an-drenivohitra nandritra iny faran’ny herinandro iny. Raha ny tsikaritry ny rehetra dia taorian’ny baiko nomen’ny praiminisitra mba hanatsaharan’ny Jirama ny delestazy no nahatonga izany. Mazava ny raharaha hatreto fa rehefa misy ny baiko ka manatanteraka izany ny tompon’andraikitra tandrify azy dia voavaha hatrany ny olana. Resaka tsy fahampian’ny rotsak’orana no nambaran’ny Jirama fa nahatonga ny delestazy gravy be tamin‘ny herinandro nefa nahagaga fa tsy avy akory ny orana dia voavaha ny olana. Raha ny zava-misy izany no jerena dia hita fa misy foana ny vahaolana rehefa eo ny finiavana. Io finiavana io no tsy ampy eto Madagasikara satria raha vao misy olana kely dia samy manipy andraikitra ny tsirairay ary samy mody fanina avokoa. Olana iray saro-bahana nefa azo atao tsara ny mamaha azy io delestazy io. Maro ny vahaolana ara-tekinika azo atao saingy vitsy ny fandraisana andraikitra avy amin’ireo olona tandrify izany. Na inona na inona fanazavana ara-tekinika dia misy andraikitra tandrify ny mpiasan’ny Jirama ny fahatapahan-jiro lavareny. Anjaran’izy ireo mantsy no mijery mialoha ny zavatra rehetra mety hitranga toy ny tsy fahampian’ny rotsak’orana, ny solika, ny fahasimbana madinidinika sns, ary mitady ny vahaolana hisorohana ny mety ho fiantraikan’izany. Tsy mety mivaha anefa ny olana satria ny fanazavana sy ny fialana andraikitra no lasa fomba fiasa eto Madagasikara ankehitriny. Vao misy tsy mety dia ny hitondra fanazavana ny antony nahatonga izany no mahamaika ny tompon’adraikitra fa tsy ny handroso vahaolana sy ny hiala tsiny. Tsy mba manaiky ho diso sy tsy mahay manetry tena ary tsy mahay mikarokarako rahateo ny tompon’andraikitra maro eto Madagasikara fa dia manery ny vahoaka hionona sy hanaiky ny zava-misy ihany no fantatr’izy ireo. Izany hoe mila miandry baiko sy hoterena imasom-bahoaka hatrany ve vao mba tena hanao ny asany amin’ny tokony ho izy. Raha ny fitakian’ny vahoaka dia inoana marimarina fa mila mibaiko tsy an-kijanona ireo olona rehetra eo ambany fahefany ny tompon’andraikitra ambony. Volam-panjakana mantsy, izany hoe volam-bahoaka no hamelomana sy hanakaramana ireny tompon’andraikitra ireny ary tsy maintsy miasa sy manome vokatra ho fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ho fampandrosoana ny firenena.

Hatreto aloha dia karazan’ny kamo be tenda fotsiny ankamaroan’ny mpiasam-panjakana sy tompon’andraikitra ambony satria ry zareo miha manan-krena andro aman’alina fa ny vahoaka kosa miha mahantra tsy an-kijanona. Matoa tsy mandeha amin’ny laoniny ny asa fampandrosoana dia tsy mahavita ny andraikiny ireo olona rehetra karamain’ny Fanjakana mba hiasa ho an’ny vahoaka. Bevava sy miavonavona ny mpiasa birao isaka ny sampan-draharaham-panjakana rehetra ary tsy miasa raha tsy kolikoly. Fandaniam-bola fotsiny ny asan’ny Bianco satria iaraha-mahita sy iaraha-mahalala ny kolikoly miainga eny amin’ny fokontany ka hatreny amin’ny fiadidiana ny Repoblika. Mila omena baiko ny mpiasa rehetra amin’ireny sampan-draharaha ireny mba tena hiasa fa tsy ho fanetriben’ny firenena fotsiny ka hanao an-tandrevaka ny raharaham-bahoaka. Iza anefa no hanome baiko? Fanontaniana kidaladala io nefa fantatry ny rehetra ny valiny dia ny hoe samy manome baiko ny eo ambany fahefany ny tsirairay. Tsy sahy manao izany anefa ny ankamaroan’ny mpiasam-bahoaka satria samy mpanao an-tandrevaka sy mpiray petsapetsa koa hanahirana ny handetika ny namana mpiara-mitavana na dia misy aza ny ambaratongam-pahefana mazava. Tsy handroso izany ity firenena ity ary tsy hipetraka na oviana na oviana ny Fanjakana tsara tantana sy ny fanjakana tan-dalàna raha mbola tsy sahy manome baiko hentitra ny mpiasam-bahoaka ny tompon’andraikitra nomen’ny vahoaka fahefana tamin’ny alalan’ny fifidianana.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre