Ambositra – Tafaverina amin’ny tompony ireo omby sivy
Ny distrika Ambatofinandrahana matetika no lasibatry ny asan-dahalo amin’ireo distrika efatra mandrafitra ny faritra Amoron’i Mania. Tsy mba aharenesana izany loatra raha Fandriana, Manandriana, Ambositra. Mihitatra anefa izany fanafihana izany ka efa mihanaka hatrany amin’ny distrikan’Ambositra. Dahalo maromaro nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika no tonga nangalatra omby miisa sivy tao amin’ny tokantrano iray tany Masiaka, fokontany Antanifotsy, kaominina Ambanivohitra Ambohimitombo, distrika Ambositra, faritra Amoron’i Mania, tamin’ny 16 desambra 20165 tamin’ny 11ora alina. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ireo fokonolona. Araka ny loharanom-baovao, tsy niandriandry ireo zandary avy ao Kianjandrakefina fa nandray ny andraikitra manandrify ary nanatontosa ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny vahoaka. Nampandrenesina ihany koa ny Borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Ivato Ambositra ha nanao ny fisakanana. Teo anatrehan’izany tetikady tena matipaika izany dia nisy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Vokany, tafaverina avokoa ny omby ary vaky nandositra ireo dahalo rehetra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







