Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Cnaps – Nofaranana tao Vatomandry ny taom-panofanana 2016

Miezaka manantona hatrany ny vahoaka ny Caisse Nationale de Prévoyance Sociale (Cnaps) na Tahirim-pirenena. Manantona ny mpiasa, ny olon-tsotra ny mpitantana ary manazava ny tombontsoa azo avy amin’ny fisian’ny vahoaka manana fiahiana ara-tsosialy. Ny fiadidiana foibe, eo ambany fitarihan’ny Tale Jeneraly Arizaka Rabekoto Raoul dia nametraka lamin’asa hitety ny faritra 22. Tsy ny foiben’ny faritra ihany fa hatramin’ny distrika  ary ny kaominina no kinendry araka izay tratra toa izay fiofanana natao tao Vatomandry nampiantrano ny fiofanana izay notontosaina ny 13 hatramin’ny 15 desambra 2013 teo. Nandritra ny hateloana dia afaka nanazava tamin’ireo mpandray anjara (solontenan’ny sendika, ny mpiasa, ny solontenan’ny mpampiasa, ary olom-boafidy isan-tokony) ny momba ny anjara asan’ny Cnaps ireo iraky ny Tahirim-pirenena.

« Nahatratra 19 ny fiofanana vita nanerana ny Nosy natao tamin’ny anaran’ny Sass. Niompana tamin’ny fampahalalana ny Lalànan’ny Fiahiana ara-tsosialy na ny Code de Prévoyance Sociale ny fiofanana niandraiketanay. Nahatratra 1 385 ny isan’ny olona voaofana tamin’izany », araka ny nambaran’i Randrianarijaona Charles Emilson, lehiben’ny Sass na Service d’Actions Sanitaires et Sociales eo anivon’ny Cnaps. « Mikasika ny fiofanana momba ny fisorohana ny loza am-perin’asa sy ny fiarovana ny ain’ny mpiasa dia 5 ny fiofanana vita tamin’ity taona 2016 ity, ka nahatratra 135 ny olona voaofana tamin’izany » hoy ity lehiben’ny sampan-draharaha ao anivon’ny Tahirim-pirenena ity. Nosoritany fa ny tanjona dia ny hahaizan’ny Malagasy rehetra na mpampiasa na ny mpiasa izay zo tokony hananany sy ny adidy tokony hoefaina, ary mba tsy hahavery zo ny mpiasa eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Mangataka izy ireo mba ho matetitetika ny fiofanana na dia indray isan-taona farafahakeliny.

Nangon’i S.A

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre