Toamasina – Jiolahy 18 saron’ny Polisy
Vokatry ny tsy fandriam-pahalemana, tena mirongatra izay tsy izy ao Toamasina, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao dia nanao hetsika ny mpitandro filaminana any an-toerana mba hamongorona izany. Noho izany, mpanendaka sy mpanao hala-botry 18 no saron’ny polisy tany Toamasina ary naiditra am-ponja vonjimaika. Tratra teo amin’ny tsenan’Ambolomadinika ny 12 tamin’izy ireo, ny roa tao amin’ny tsenan’Ankirihiry , ny roa teo am-pangalarana fanamafisam-peo mbola tao Ambolomandinika ihany, ny iray farany sarona teo am-pangalarana finday tao Mangarivotra ary ny iray farany izay mahafeno ny isa ho 18 kosa dia sarona teo am-pamakiana fiaran’olona tao Anjoma. Tafaverina any amin’ny tompony avokoa ireo entana nangalarin’ireo olon-dratsy. Mitohy hatrany ny fiambenan’ny mpitandro filaminana ireo tranombarotra sy ireo mpiantsena mandritra ny fety mba hisian’ny filaminana ao an-toerana.
Nangon’I S.A
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







