Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Analakely – Natosiny tao anaty Taxi dia nendahiny

Fomba hafa indray no ampiasain’ireo mpanendaka amin’izao fotoana mahabetsaka olona mivezivezy eny an-tsena izao. Miray tsikombakomba amin’ny mpamily fiarakaretsaka izy ireo mba hialany amin’ny mety hisian’ny mpitandro filaminana manara-maso sy ny fitsaram-bahoaka. Arahin’ireo mpanendaka izay olona heveriny fa manam-bola ary efa misy taxi miandry eny akaikikaiky eny. Rehefa mandalo eo amin’ilay fiara ilay olona dia ambanan-dry zalahy ny antsy ary tereny hiditra ao anaty fiara. Miainga ilay fiarakarestaka avy eo ka eny am-pandehanana no manao ny fanendahana ao anaty fiara ry zalahy. Fantatra fa vehivavy iray nanao firavaka volamena no efa voa teny Analakely. Tsy nisy nahatsikaritra mihitsy ny nanosehan’ireo jiolahy azy tao anaty taxi na dia maro aza ny olona teny an-toerana no nivezivezy sy niantsena. Teny Antaninarenina vao najanon’ireo jiolahy ny fiara ary natosik’ireo mpangalatra teny ivelany ilay ramatoa rehefa voaroban’izy ireo. Lasa nanohy ny diany kosa ilay fiara avy eo ary tsy hita izay nalehany.

Mila mailo ihany ny rehetra amin’izao fotoana izao satria ny ratsy tsy kely lalana. Na dia efa mitandrina mafy sy mihevitra ny tsy hanaiky manoloana ireo mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy aza mantsy dia mbola maro ihany no voa. Efa misy miofana amin’ny fomba maro samihafa mihitsy ireo tontakely mpivezivezy eny Analakely mba hanamoran’izy ireo ny asa fanendahana.

Dom

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre