Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Mianara hanao ny tsara : Isaia 1, 17

Maneho ny maha olom-banona, mitory fahendrena, fijoroana amin’ny maha olon’Andriamanitra, iainan’ny olona manan-tsaina ary fanehoana ny fahamarinana ny fanaovana ny tsara.  Betsaka ny fitarainana etsy sy eroa, manahirana ny trangan-javatra misy isan’andro. Rahoviana isika no hiaina fahatoniana manoloana ny zava-tsarotra  tsy ahitana fanafany.Toa mifanenjika sy mifanaratsy ary mifamaly faty hatrany no atao .

 

Mandray anjara amin’ny tantara isika

Ny tsy fanaovan’ny olona ny tsara intsony no fototry ny olana.  Nahita an-dRabe nanao ratsy Rakoto dia nisafidy hanova ny tsara fanaony ka naka tahaka ny fanaon-dRabe. Izany hono no tsara izao. Olana ihany koa ny familiana ny atao hoe tsara. Kanefa dia vao maika mampitombo  ny fahavoazana. Dinihonao kely ange izany!

Raha mboa velona koa izaho sy ianao dia tsy maintsy mandray anjara amin’ny tantaran’ny  fiainam-pirenentsika Malagasy ;  ary tompon’andraikitra  amin’izay iafaran’ny fiainan-tsika : na mpitondra firenena ianao, na mpitondra fiangonana,  na mpiasam-panjakana, na mpamily fiarakaretsaka, na tompona orinasa, na mpianatra, na mpivarotra anana, na ankizy na lehibe… Mpandray anjara ho amin’ny tsara  ve isika sa amin’ny fanimbana hatrany?

 

Sarotra ve ny manao ny tsara?

Na iza na iza ianao te ho olo-marina dia misy tsara  hatrany am-boalohany mampianatra anao ho vanona, misy tsara tokony horaisina manome fahendrena, misy  ny lalana tsara sy fomba tsara atoron’ny Soratra Masina ho an’ny mpivavaka rehetra, ary ny fahamarinana dia tsy misaraka amin’ny tsara. Noho izany, andeha hiverenana amin’izay ny tena atao hoe tsara, marina, ankasitrahan’Andriamanitra. Izany no mitondra fiadanana.

 

Mora ny manao ny tsara noho ny manao ratsy. Samy ilàna fahasahiana ny manao azy ireo nefa ny vokatry ny tsara dia fitahiana sy fiadanana. Ny vokatry ny ratsy kosa, tahotra sy fahasimbana. Tsarovy fa nantsoina ho amin’ny fiadanana ny olona rehetra. Fomba fisainana mizatra manao ny tsara no ilaina ary fiezahana mianatra miaina izany.

 

Ny teny aloaky ny vava

Afaka miala amin’ireto fahazarana miteny ratsy sy tsy mendrika ireto isika :

Fifosana olona, mivazavaza lava, tia miady sy mifamaly, kizitina, manompa, manozona, tia manala baraka olona, mitabataba sy vazavaza  raha misy olana, mila ady, mandranitra ady, mitsabaka amin’izay tsy raharahan’ny tena, manambany sy manevateva olona, mipetsapetsana, mahay vava, tsy mahay mangina …

Raha afaka ireo fahazaran-dratsy ireo dia misy dikany kokoa ny fivoriana isan-karazany ary mahomby kokoa ny fiheveran-draharaha isan-tokony. Misy hajany kokoa ny olona miteny.

 

Tsara ihany koa ny mahay mihazona tsiambaratelo ary manefa izay zavatra nolazaina. Anisan’ny zavatra mahafinaritra tokony ho hita eo amin’ny fifandraisana ny fahaizana manao teny mankasitraka, misaotra, midera ny tsara hita eo amin’ny olona iray satria tena misy izany  ary tokony hahita izany ny tsirairay na dia mety manana toetra ratsy aza ilay olona.

 

Ny fifehezana hatezerana

Eo amin’ny fomba fanehoana hatezerana no amantarana ny fahamatorana ananan’ny olona sy ny toe-panahiny. Afaka maneho hatezerana ary tokony hamoaka izany raha misy ny olon-drehetra, kanefa raha toa ka fomba mahery setra no anaovana azy dia tsy mahomby. Noho izany,  afaka mianatra ny fomba salama. Tsy tokony hipoaka be, na mandratra amin’ny fomba fiteny sy fihetsika na amin’ny alalan’ny fitaovana entina handratrana. Tsy tokony hanimba zavatra na hitroatroatra.

 

Afaka maneho ny tsy fahafaham-po sy ny alahelo ary maneho ny faniriana fiovana amin’ny fanaovana teny milamina. Ampiana ny olona hiova fa tsy terena. Raha manery ny hafa hiova isika dia izay no mitarika haromotana ho anao sy fahasiahana ho an’ny hafa.

Tsy voatery ho tezitra lava isaka ny misy zavatra tsy mahafa-po. Afaka mitaiza tena hanana fomba tony.

 

Ny fanaovan-tsoa

Aza ny mahasoa anao ihany no atao fa hevero koa izay mahatsara ny hafa. Ialao ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola fa ireo no mibahana tsy ahafahana mihevitra ny manodidina. Ny fanaovan-tsoa dia fitahiana ho an’ny olona anaovana izany. Raha tia manao soa ianao dia hamaly soa anao koa Andriamanitra. Tsy mbola nisy olo-marina ka nafoiny. Ilàna fitiavana ny fanaovan-tsoa satria mila fahafoizana, kanefa mila fahazarana koa.

 

Matetika anefa ny fanaovan-tsoa, atao ho filan-dera ka anindrahindrana ny tena, na koa ho fitadiavana tombontsoa manokana, na isehosehoana eo anatrehan’ny hafa, na anararaotana ny olona mihitsy. Tsy vokatry ny fitiavana ireny fa anehoana hafetsena ka mifono fihatsaram-belatsihy.

Ny fankatoavana ny lalàna

Fanaovan-tsoa ny fankaoavana ny lalàna. Fehezin’ny lalàna ao anaty fiarahamonina sy ny firenena ny olon-drehetra. Ny olo-marina sy ny olona tsara dia finaritra miaina izany, fa ny olona te hanao ratsy sy sarotra entina kosa dia manohitra mandrakariva ny fifehezana sy ny lamina. Manana olana eo amin’ny fiarahamonina ny olona tsy tan-dalàna. Sarotra ny mitondra raha tsy manana finiavana ho mora alahatra ny olona entina. Tsy hilamina ihany koa ny fiarahamonina raha samy hanao izay saim-patany ny tsirairay avy.

Misy olona tsy faly amin’ny fisian’ny Polisy mandamina fifamoivoizana.  Ho feno korontana sy ady ary fifanjevoana anefa eny amin’ny arabe raha tsy eo izy ireny. Hitondra fahoriana koa ny zanaka raha toa ka manohitra ny fifehezana ataon’ny ray aman-dreny.

 

Ny fahadiovana

Ny tany andalam-pandrosoana dia hita fa maloto. Tsy lahatra anefa izany fa toe-tsaina fotsiny ihany. Mety tsy hisy vola nefa mety ho mahihitra tsy hividy savony sy hividy rano. Tena misy koa anefa ny hakamoana tsy hanao madio , eny ny tsy fitiavana madio mihitsy aza. Satria mahantra hoy ny sasany dia tsy ilaina izany madio izany. Haloto ihany io hoy ny sasany koa maninona no diovina?

Madio sy Masina, Andriamanitra, tokony ho tia madio ny olona mpivavaka. Raha izany no tanteraka dia ho firenena madio i Madagasikara, manomboka eto Antananarivo. Tsy izany anefa no misy fa feno loto eny rehetra eny : ny zavatra amidy, ny toerana ivarotana, ny olona mivarotra, ny tontolo manodidina. Tsy misaraka amin’ny fahadiovana ny filaminana. Tsy hanana ny madio sy milamina isika raha tsy misafidy ny ho tia izany ary manao ezaka hanana izany.

Ny fahamarinana

Ny toetra marina no resehana eto. Tsy maka ny an’olona fa mionona amin’izay an’ny tena. Tsy mialona ny hafa fa mankasitraka izay eo am-pelatanana. Tsy mierina ka te hanana foana ary manao izay hanangonana ny zavatry ny olona rehetra ho azy. Mahay resy fa tsy voatery handresy foana. Mety mba ho farany fa tsy voalohany foana. Raha tsy manaiky izany ianao eo amin’ny fiainana dia hitroatra lava ary ho mpanakorotana tsy misy fiafarany.

 

Ny hafetsena, ny fisolokiana, ny halatra, ny kolikoly amin’ny fanambakana na ny fanararaotana fahefana dia zava-dratsy manimba ny fiaraha-monina. Izay manao izany dia toa mahazo tombony raha jerena ety ivelany kanefa kikisan’ny ratsy ataony andro aman’alina ny ao anatiny ao. Na mamono eritreritra fatratra aza izy tsy maintsy hijinja izay nafafiny. Aleo mifehy tena manao ny marina.

.

Mila miova isika

Ry olon’ny fiangonana ô, isika olom-pirenena rehetra, na ny kely na ny lehibe, manaiky hofehezin’Andriamanitra ve ianao, misy fitiavana ny mpiara-belona aminao ve ianao? ‘Ndeha hianatra hanao ny tsara. Avelao ny fanenjehana ny sy fanaratsiana ny hafa. Miantsoa an’i Jesoa hamonjy anao.

 

“…na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany… ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.” Filipiana 4:8,9

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre