Manan-jo hifaly ny malagasy
Hiara-hankalaza ny fetin’ny noely ny rehetra rahampitso. Tsy fety kristianina irery ihany io fa tena fety lehibe indrindra manerana izao tontolo izao ary iraisan’ny olona rehetra maneran-tany. Tonga olombelona ny Zanak’Andriamanitra mba hahatonga ny olombelona ho Zanak’Andriamanitra. Io fahaterahan’ny Mpamonjy io no mari-pitiavana lehibe indrindra nentin’Andriamanitra hamonjena ny mpanota. Mitaky fifamelana sy fiombonana ary fihavanana sy fifankatiavana, noho izany ny noely. Fotoana izao hanajanonana ny adiady sy ny disadisa nandritra ny taona. Tsy misy olombelona tsy diso izany rahateo ary ny vy tsy mba mikintrana irery nefa koa ny fihavanana tsy lamba ka raha sanatria rovitra azo zairina. Ny tsy miady rahateo olom-bodo ary ny to-fo mpamosavy. Mila mihavana ny rehetra amin’izao fetin’ny noely izao. Mafy sy sarotra izany handefitra sy hamela heloka izany nefa azo atao tsara ary tsy mamono antoka. Manamaivana ny ratram-po sy ny alahelo izany hoe namela heloka ka tsy manana alahelo amin’iza na amin’iza izany. Mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay hoy ny vavaka nampianarin’ny Tompo. Izy Andriamanitra rahateo efa nilaza mazava fa ny fitiavana no lehibe indrindra. Ny famitranam-pihavanana sy ny fifankatiavana dia maneho ny fahavononana hiditra amin’ny dingana manaraka indray eo amin’ny fiainana. Ny olona vonona ny handroso izany dia manala sy manadino ny ratsy rehetra tsy nety ary miezaka ny hanarina izany amin’ny manaraka.
Fomba fanao sy lesona ratsy ho an’ny vahoaka malagasy rahateo io tsy fahaizana mamela heloka io. Disadisa efa nitranga an-taonany maro ary efa tsy misy fiantraikany intsony ankehitriny no mbola ezahina fongarina sy atao fitaovana entina mifampila vaniny sy mifanenjika. Hita soritra mazava izany eny anivon’ny fiarahamonina. Isika malagasy rahateo nanana ilay fomba “atero ka alao” izay tena hita ny naharatsy azy satria lasa manery ny tsirairay hiditra amin’ny fihatsarana ivelantsihy fotsiny. Raha namangy manjo tany amin’ilay olona ny iray ka sendra nisy nahavaly izany ilay novangiana dia efa miteraka disadisa sy alahelo mandra-maty ho an’ilay namangy izany. Santionany kely io fa na ny ao an-tokantrano aza lasa hifandrafy raha sendra nanao hadisoana kely fotsiny ny iray. Misy mihitsy sahy milaza ny hoe “tsy hadinoko mandra-pahafaty iny nataony ahy iny.” Hitondra ho aiza anefa izany rehetra izany ? Ny fo lotika sy tsy mahay mamela heloka ny hafa dia mitondra loza ho an’ny tompony ihany. Misy mihitsy manam-pahaizana milaza fa ny olona ratsy saina sy tia tena ary tsy mahay mamela heloka ihany no tratran’ny aretim-po. Raha tsy madio fo sy mazava saina mantsy dia kikisan’ny alahelo sy hatezerana ary fankahalana mandrakariva ka mitarika aretim-po izay miafara amin’ny fahafatesana izany.
Eto izahay dia manentana ny rehetra mba samy hanokatra ny fony sy hampanefitra ny hambom-pony ka hahay hifamela amin’ireo rehetra nananany alahelo sy niady taminy. Azo atao tsara izany ary tsy misy fatiantoka satria ny tenin’ny Soratra Masina dia milaza mazava hoe tiavo ny namanao, ary aza mamaly ratsy ny ratsy. Fotoana hanatanterahana izany izao andron’ny noely izao ary fampisehoana ny tena maha olon’ny fitiavana sy ny famelan-keloka ho an’ny tsirairay. Matetika mantsy dia samy manome tsiny sy manameloka ireo mpanao politika tsy mety mihavana avokoa ny rehetra nefa ny samy olon-tsotra aza tsy mahay mifandefitra.
Koa amin’izao noely izao dia mirary ny rehetra izahay mba samy hahavita hamitram-pihavanana amin’ireo manana disadisa sy adiady aminy ka hahay hifamela sy hifankatia. Mba ho noely anaty fo madio sy lavitry ny fankahalana anie no hiainantsika rehetra rahampitso.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







