Vous êtes ici :

Dimanche 01 Février 2026

ombre

Lalam-pirenena faha-4 – Nifatratra tany an-tanimbary ilay fiara sprinter

Tanana efa zatra mitsotra ny an’ireo mpitondra fiara ka na eto  an-drenivohitra na eny amin’ny lalam-pirenena dia mandeha mihoatra ny tokony ho izy foana hany ka mitombo andro aman’alina ny isan’ny lozam-pifamoivoizana. Amin’izao ankatoky ny fety izao indrindra no tena mahabe ny loza anefa amin’izao vanim-potoana izao ihany koa no tena mahabe ny olona mivezivezy, hamonjy fianakaviana na hanao fialan-tsasatra. Manenjika isan-dalana noho izany ny ankamaroan’ireo fiara ka misy mihitsy ireo manao dona miverina. Rariny raha misy ny matory an-dalana satria efa donton’ny torimaso ny mpamily izay matetika miteraka ny loza. Omaly, tokony ho tamin’ny 1 ora tolakandro dia fiara sprinter iray no niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’iny lalam-pirenena faha-4 iny. 4 km tsy hiditra an’Ambalanjanakomby no saika nidiran-doza ireo mpandeha tamin’ity fiara 194 avy aty an-drenivohitra ity, noho ny fandehanana mafy sy ny tsy fahaizan’ny mpitondra azy. Nanao « spécial » ity fiara ity araka ny vaovao voaray ary nandeha mafy nefa efa hiditra fiolahana. Nisy ireo nilaza fa nisongona fiara iray hafa izy io ary tsy nahavoatazona familiana intsony ka avy dia nifatratra tany anaty tanimbary. Potika tamin’izany ny lohan’ilay fiara ary vokatry ny dona mafy izay nahazo azy dia vaky sy niala avokoa ny fitaratra rehetra ary tapitra vaky avokoa ny kodiarana. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia tsy nisy ny maty fa betsaka kosa ireo naratra ary nentina haingana tany amin’ny hopitaly akaiky indrindra. Niparitaka ny entana izay notaterin’ity fiara ity ary olona teo amin’ny manodidina no niandraikitra ny namoahana azy tao anaty fotaka.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre