Vous êtes ici :

Dimanche 01 Février 2026

ombre

Lehilahy bobo – Notambazana 3 hetsy Ariary hivarotra ny volon-dohany

Miaina anaty fitaintainana ankehitriny ireo karazan’olona bobo  na varira na “albinos” hoy ny teny frantsay. Tsy fantatra mazava anefa izay antony itadiavan’ireo olon-dratsy, ny sokajin’olona toy itony fa dia maro ny mirona amin’ny fitadiavana azy ireo. Voasokajy amin’ny asa maizina izao herisetra atao amin’ny mpiara-belona izao, izay ironan’ireo olona sasany tsy mataho-tody. Tany amin’ny faritra Androy no tena nampalaza azy ity teo aloha teo. Ankehitriny kosa dia efa mihazo ny faritra avaratry ny nosy iny. Tany Sambava dia lehilahy iray izay bobo, nitaingina bisikileta hamonjy fodiana no nosakanan’ny andian’olona mandeha fiara tsy mataho-dalana omaly zoma 23 desambra. Araka ny loharanom-baovao dia notambazan’ireto farany vola 3 hetsy ariary izy mba hivarotra ampahany amin’ny volony. Tsy nety nandeha tany amin’ny mpanety ireo olon-dratsy fa tsy maintsy any amin’ny tranon’izy ireo satria ilain’ireo vazaha tao anaty fiara. Mailo anefa ilay tovolahy ka tsy nanaiky ary vaky nandositra namonjy ny biraon’ny mpitandro filaminana tany an-toerana omaly maraina.

 

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre