Lehilahy bobo – Notambazana 3 hetsy Ariary hivarotra ny volon-dohany
Miaina anaty fitaintainana ankehitriny ireo karazan’olona bobo na varira na “albinos” hoy ny teny frantsay. Tsy fantatra mazava anefa izay antony itadiavan’ireo olon-dratsy, ny sokajin’olona toy itony fa dia maro ny mirona amin’ny fitadiavana azy ireo. Voasokajy amin’ny asa maizina izao herisetra atao amin’ny mpiara-belona izao, izay ironan’ireo olona sasany tsy mataho-tody. Tany amin’ny faritra Androy no tena nampalaza azy ity teo aloha teo. Ankehitriny kosa dia efa mihazo ny faritra avaratry ny nosy iny. Tany Sambava dia lehilahy iray izay bobo, nitaingina bisikileta hamonjy fodiana no nosakanan’ny andian’olona mandeha fiara tsy mataho-dalana omaly zoma 23 desambra. Araka ny loharanom-baovao dia notambazan’ireto farany vola 3 hetsy ariary izy mba hivarotra ampahany amin’ny volony. Tsy nety nandeha tany amin’ny mpanety ireo olon-dratsy fa tsy maintsy any amin’ny tranon’izy ireo satria ilain’ireo vazaha tao anaty fiara. Mailo anefa ilay tovolahy ka tsy nanaiky ary vaky nandositra namonjy ny biraon’ny mpitandro filaminana tany an-toerana omaly maraina.
Farah
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







