Fiangonana Fvkfm – Nanolotra fanomezana ho an’ireo marary
Fety lehibe ho an’ny mpino kristianina maneran-tany ny fetin’ny noely na ny fahaterahan’ny Zanak’Andriamanitra, ary foton-dehibe ho an’ny olon-drehetra tsy ankanavaka ny fahatratrarana ny taona vaovao. Rehefa vanim-potoana tahaka izao dia maro ireo fikambanana na mpiara-mivavaka no manao asa soa amin’ireo sahirana na voafonja na marary any amin’ny toeram-pitsaboana. Tsy diso anjara tamin’izany fahatsiarovana ny mpiara-belona izany ireo kristianina ao amin’ny fiangonana Fvkfm fa nitondra izay voatsirambin’ny tanana nampifaliana ireo marary ao amin’ny hopitaly Hjra. Nanome fanafody ho an’ny hopitaly hoenti-mikarakara ireo marary. Tsy vitan’izay ihany fa mbola nanome fanampiana ireo izay tsy afaka manao fety any amin’ny fianakaviana noho ny tsy fahasalamana. Marary mihoatra ny 200 no nahazo ny anjarany tamin’izao fizarana fanampiana izao. Marihina fa efa fanaon’ity fiangonana ity isan-taona izao hetsika izao.
M.S
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







