Antsirabe – Vazaha nanakorotana tsena ary saika niharan’ny fitsaram-bahoaka
Andro efa miditra ny an’ity vazaha iray, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka tany Antsirabe, ny alakamisy lasa teo. Mampihomehy anefa nanohina ny maro ity tranga iray ity, izay saika loza satria raha tanteraka ny fanirian’ny maro dia nahafaty teratany vahiny indray ny fitsaram-bahoakan’ny malagasy. Nisakafo teo akaikina toeram-pivarotana iray izay nanao fanentanana amin’ny fetin’ny faran’ny taona ity vazaha ka nahatsiaro voaelingelina tamin’ny hira izay nandeha mafy tamin’ny zava-maneno. Nimenomenona vokatr’izany izy ary niafara tamin’ny fihetsika tsy voafehy. Nitsangana izy ka nobatainy sy natsipiny tamin’ny tany ny « baffle » iray. Iny mbola hibata ny vata fanamafisam-peo iny ilay vazaha no voasakan’ny mpiambina ilay tsena. Raikitra ny fifanjevoana satria ilay vazaha efa nanao ny tsy mety indray no mbola nandray tamin’ny vozon’ankajony an’ilay mpiambina sy nanakenda azy. Ny mpitari-posy sasany saika hanampy ity farany ka saika niharan’ny hatezeran’ilay teratany vahiny avokoa. Teo vao nitangorona ny olona maro, tohina tamin’ny fihetsik’ilay vazaha ary saika hamono azy avy hatrany. Fitsaram-bahoaka nahatsiravina no niseho raha tsy nisy mpitandro filaminana nihaodihaody teny an-toerana tonga nandamina ny raharaha. Raha ny vaovao azo tamin’ilay tompon-tsena kosa anefa dia voalaza fa efa matetika no manondrana sy manao fihetsika tsy mendrika toy izao ity vazaha ity saingy amin’ny maha teratany vahiny azy dia toa hajahajaina sy jerem-potsiny fotsiny izany. Tsy nanaiky intsony noho izany ny olona na dia efa nilamina aza ny disadisa. Ny fanoloana ny entana simba ary ny fifonana amin’ny olona voakasika no tena angatahin’ny tompon-tsena amin’izany.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







