Vous êtes ici :

Dimanche 01 Février 2026

ombre

Ankatoky ny fety – Miakatra ny vidin’ny akoho amam-borona

Andro iray sisa dia migadona ny krismasy. Matetika ny ankamaroan’ny olona dia miandry efa tena akaiky fety vao mandeha mivoaka miantsena. Amin’izao fotoana izao anefa, efa feno olona ny tsena eto an-drenivohitra ary ny tsapa dia nahitana fiakarany avokoa ny entana rehetra, manomboka amin’ny kilalaon’ny ankizy izany hatrany amin’ny sakafo, indrindra fa ny akoho amam-borona. Manararoatra ny fety ny ankamaroan’ny mpivarotra ka mahatonga ny fidanganan’ny vidin’entana. Ireo izay nahay nanararaotra izany talohaloha kely no nahazo tamin’ny vidiny antonony fa ireo izay niandry andro vitsy monja alohan’ny fety kosa dia tratran’io fisondrotana tampoka io. Raha namidin’ireo mpiantoka tamin’ny vidiny 12 000 Ariary ny reniakoho lany atody iray izany hoe irony akoho vazaha irony dia niakatra hatrany amin’ny 16 000 Ariary izany amin’izao. Tafakatra hatrany amin’ny 30 000 Ariary kosa ny vanton-gisa iray ary nananika ny 20 000 Ariary ny gana mbola vantony. Niakatra tsy nisy toa izany ihany koa ny vidin’ny akoho gasy ka raha novidiana tamin’ny vidiny 7 000 Ariary mialoha ny fety, dia tafakatra hatrany amin’ny 12 000 Ariary izany nanomboka ny alatsinainy teo ary mbola nisondrotra ihany io hatramin’ny omaly. Na izany aza anefa dia mbola misy ihany ireo mpivarotra sasany tsy manaraka io fampiakaran’entana io fa mitsonjo ny mpiara-belona. Tsy eny amin’ny tsena mahazatra anefa izy ireny no mivarotra satria mahatonga lonilony eo amin’ny samy mpivarotra no manimba ny tsenan’ny sasany ihany koa. Raha ny nambaran’ireo mpivarotra anefa dia vitsy ireo olona manjifa ireny akoho amam-borona mbola velona ireny noho ny vidiny ka aleon’ny olona manjifa hena amin’ny kilao.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre