Famelan-keloka no vahaolana
Mbola resa-be hatramin’izao ny fahalanian’ilay lalàna momba ny fampihavanam-pirenena nandritra ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny parlemanta. Tsy manafina ny ahiahiny mantsy ny mpomba ireo filoha teo aloha mahakasika ny mety hampiasana io lalàna io hanakanana ny kandidan’izy ireo tsy ho afaka hirotsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018. Misy andininy tsy voafaritra mazava rahateo ilay lalàna ka tena hahafahana manenjika ireo mpitondra teo aloha mba ho very zo ka tsy hahafeno ny antontan-taratasy ilaina amin’ny firotsahana ho filoha. Ankilan’izany anefa tsy manafina ihany koa ny olon’ny fitondram-panjakana ary manizingizina fa tsy maintsy saziana araka ny lalàna manan-kery ary tsy homena famotsoran-keloka izany izay nahavita heloka bevava toy ny famonoana olona sy ny mifandraika amin’izany. Mitompo teny fantatra ny olon’ny Hvm amin’ny tsy maintsy hanasaziana ireio noheverina ho nanao heloka teto amin’ny firenena. Rehefa tsy te ho meloka dia aza manao ratsy hoy ny Hvm. Manoloana izany rehetra izany nefa dia misy foto-kevitra iray milaza mazava fa tena anisan’ny voasaringotra tao anatin’ny raharaha 2009 ny filoha ankehitriny satria tao anatin’ny fitondrana tetezamita ny tenany. Raha misy mitsara ny fitondrana tetezamita ho nahavita heloka bevava izany mba hanakanana ny mpitantana tamin’izany tsy hirotsaka ho filoha amin’ny taona 2018 dia mety ho voasaringotra ihany koa ny mpitondra ankehitriny satria niaraka tao ihany izy ireo. Sarotra ny toe-draharaha satria araka ny fanazavan’ny mpanao politika dia azo atao fitaovana entina hanakanana ny mpifanandrina mihitsy io lalàna mifehy ny fampihavanam-pirenena io. Ahiana ho tsy misy ho afa-bela amin’izany izay rehetra tiana hailika. Ny mahagaga ny rehetra dia ny fizirizirian’ny olon’ny fitondram-panjakana amin’izao fampiharana ny lalàna ho fanasaziana ny mpifandrafy ara-politika aminy izao. Raha ny ahiahy fisian’ny heloka bevava mantsy dia azo ambara fa ansian’ny tena itambesaran’ny fanakianana mivaivay ity fitondram-panjakana mijoro ity. Na ireo mpitondra Fanjakana ambony aza dia efa maro no nilaza fa tena misy mihitsy ny fanodikidinam-bola sy ny kolikoly ary ny tsy mazava amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ireny iaraha-mahita ireny ny resaka fanondranana andramena izay tsy mety ahitana mangirana fa toa ifanilihana hatrany ny fanadihadiana sy ny famoahana ny marina. Eo ihany koa ny resaka kolikoly sy fanodikodinam-bolam-panjakana izay toa ny Bianco izay samy mandray andraikitra amin’ny fanaovana fanadihadiana indray no mahazo tsiny amin’ny olona sasany akaikin’ny fitondrana. Raha ny hita tokoa mantsy dia mizara ho ankolafy ny samy mpanaohana sy ny samy olom-boatendrin’ny filoha ary tsy manafina fa mampiseho miharihary ho hitam-bahoaka ary ho ren-tany, ho ren-danitra ny disadisa eo amin’izy ireny. Ohatra, mivaingana amin’izany ny fifamaliana sy fifampihantsiana matetika eo amin’ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona iray sy ny tale jeneralin’ny Bianco. Santionany io tranga io fa tena maro ireo samy tompon’andraikitra ambony notendren’ny filoha no mifaninana sy mifandrafy. Manimba ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana anefa izany ary misy fiantraikany ratsy amin’ny asa fampandrosoana ny firenena. Ny vahaolana tsotra indrindra angamba dia ny fifandeferana sy ny fifamelana ary ny famitranam-pihavanana. Raha tsy mahay mihavana ny samy ao anaty fitondrana dia tokony atombok’izy ireo amin’ny eny ivelany indray izany mba ho ohatra fakan-tahaka. Azo atao tsara, ohatra, ny mampitsahatra ny fanenjehana ireo mpanao politika nogadraina mba ho fanehoana ny finiavana tena hampihatra ny fampihavanam-pirenena marina. Raha mahay mifamela amin’ny mpifaninana aminy ny antokom-panjakana dia inoana fa tsy ho sahirana hifandefitra amin’ny samy mpanohana ny filoha ihany koa. Izao ankatoky ny faran’ny taona izao no fotoana tsara indrindra hanatsaharana ny adilahy sy ny disadisa politika mba hofaranana amin’ny zavatra tsara ny taona. Raha mitodika amin’ny malagasy ka mamaly ny hetahetam-bahoaka ny mpitondra dia inoana fa ho be mpanohana ary tsy hitsingilahila ara-politika intsony. Raha mihaino ny mpanohitra ihany koa ka manatsahatra ny antsojay rehetra izay fanaony ireo manam-pahefana dia hilamina ity firena ity amin’io taona 2017 hitsidika io.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







