Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Analakely – Olona voasoloky nividy fahita lavitra hazo

Tsy vao izao no nisy endrika fisolokiana toy izao fa efa an-taonany maro ary olona miasa manodidina an’ireny mpamongady lehibe eto an-drenivohitra ireny matetika no misoloky olona. Efa maro no nitondra faisana tamin’izy ireny ary tsy afaka nanao inona na inona akory satria nividy entana tamin’olona izay tsy tena mpivarotra. Ny sabotsy lasa teo àry dia fianakaviana iray nikasa mba hividy fahita lavitra fisaka no tratran’ireo mpisoloky efa hary fitaovana. Raha ny vaovao azo dia efa nitety tsena izy ireo talohan’ny nividianany an’izy io ary nampitovy vidin’entana erakan’Antananarivo. Rehefa tonga tao amin’ny fivarotan’ny karana iray teo Analakely anefa io fianakaviana io dia nijery vidin’entana ary teo no nahitan’ireo mpisoloky ny tian’izy ireo hovidiana. Tsy niandry ela akory ireo mpisoloky roalahy fa nanantona ilay raim-pianakaviana ka niresaka taminy moramora nilaza fa misy fahita lavitra fisaka amin’ny vidiny mora any amin’izy ireo.

Tsy fantatra na azom-panafody ity rangahy fa nentiny ny vady aman-janany nanaraka an’izy roa lahy tany amin’ny efitra iray tsy lavitra ny misy ilay toeram-pivarotana. Teo no nampisehoan’ireto farany ilay fahita lavitra. Marihina fa fahita lavitra maromaro no tao anatin’ilay efitra tamin’izany. “Nasaina nisafidy iray izahay ary nasaina nanadrana sy nanamarina fa mandeha tsara ary tsara ny entana izay hovidiana” hoy ireo lasibatra. Raha tokony ho sivy hetsy Ariary ny vidin’ilay fahita lavitra dia namidin’ireo mpisoloky ho efatra hetsy monja izany. Tsy nisalasala noho izany ireo lasibatra fa dia nividy soa aman-tsara ilay entana izay efa nataon’ireo mpivarotra tao anaty baoritra tsara fono. Akory ny hagagana anefa rehefa tonga tany am-pisoko fa fahita lavitra hazo mifono solefana mainty no tonga teo am-pelatanan’izy ireo, niaraka tamin’ny « télécommande ». Teo vao tonga saina fa nampifamadihan’ilay jiolahy iray ny entana teo ampandoavam-bola. Niverina haingana tany Analakely izy ireo saingy milaza fa tsy misy mahalala, ireo mpisoloky roalahy ny olona rehetra izay nanontaniana.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre