Madiorano – Namono tena noho ny alahelo
Manahirana indraindray ny resaka fitiavana, tsy lehibe tsy kely fa mety hotratran’ny aretim-po daholo vokatr’izy io. Maro ny tsy mahazaka izany ka mirona anaty toaka, mifoka rongony, eo koa ireo efa mila ho lasa adala mihitsy. Misy anefa ny tena mamoy fo tanteraka ka mahavita hatramin’ny mamono tena. Toa izany i Jean Faustin, lehilahy 50 taona mipetraka ao Madiorano any amin’ny kaominina Manombo. Niady tamin’ny olon-tiany izy ny 22 desambra, nisaraka mihitsy izy ireo tamin’izany. Lasa nandeha ilay vehivavy ka namela azy irery tao an-trano. Ny ampitso marainan’io andro io anefa nisy olona nitady tao an-tranony izy nefa tsy namaly mihitsy raha nantsoina. Niditra ilay nitady azy ka tsy nahateny intsony nahita ny vata-mangatsikany efa mihantona amin’ny tady sady mikirazorazo eo. Niantso ny fokonolona izy ary ireo no nifarimbona nampidina ny razana. Tonga nanao fizahana ny zandary tany an-toerana io andro io ihany.
Ny Tsiky R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







