Lozam-pifamoivoizana – Nivadika ambony ambany ilay fiara
Mpamily 43 taona efa zatra mandeha amin’iny lalam-pirenena faha-64 iny no nitondra ilay fiara sprinter niharan-doza. Efa ela izy no mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga ka nihevitra ny tenany ho mahalala tanteraka ny lalana. Fiolanana be nefa no niandry azy teo amin’ny Pk378, eo Bevilany, fokontany Andranopasika ao amin’ny kaominina Ambalanjanakomby. Mbola nandeha mafy dia mafy ihany anefa ity farany niditra ilay fiolanana ary somary nangalatra kely tamin’ny ampahan-dalan’ny fiara mifanena, ny andro koa efa maizina tanteraka. Taitra izy raha nahita fiara 4×4 nipoitra tampoka ka niezaka ny niala izany. Mafy loatra ny namiliny ilay fiara ka nivadika ambony ambany izy ireo. Mpandeha 19 no tao anatin’io Sprinter io ary soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy na dia nisy aza ny naratra mafy. Niezaka ny niala andraikitra ilay mpamily rehefa nohadihadian’ny zandary ka nilaza fa ilay mpitondra ilay 4×4 no diso. Rehefa nenjehin’ny zandary nefa ilay 4×4 ka tratra teny Ambondromamy dia nilaza ilay mpamiliny fa tsy nahita na naheno akory izay loza nitranga tamin’ilay sprinter. Telo ireo naratra mafy vokatr’ity loza ity ary efa manaraka fitsaboana ao amin’ny Hjra izy ireo amin’izao.
Ny Tsiky R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







