Hasarotam-piaro tafahoatra – Nodoran’ilay raim-pianakaviana ny tranom-badiny
Ny hasarotam-piaro diso tafahoatra na eo amin’ny lahy na eo amin’ny vavy matetika, ahavitana zavatra tsy eritreretin’ny saina mihitsy. Fikasihan-tànana, famoahana teny tsy zaka ary mety tonga hatramin’ny fanesorana ny ain’ilay olon-tiana mihitsy no mety haterak’io hasarotam-piaro io. Indrindra fa rehefa mivadika ho lolom-po ilay fitiavana nameno fo. Ny alakamisy lasa teo dia tranga mampalahelo no niseho tao Tsarahasina ao amin’ny kaominina Ambohimangakely satria trano iray no levon’ny afo vokatry ny hasarotam-piaron’ny raim-pianakaviana iray. Araka ny vaovao azo dia nisy ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta ka nisy mihitsy ny fisarahan-toerana tamin’izany. Tsy fantatra anefa izay tena nahatonga an-dRalehilahy ho saropiaro fa dia tonga hatramin’ny fandorana ny tranom-badiny mihitsy izany. Niandry alina tsara ilay raim-pianakaviana vao nanao ity fihetsika mamoafady ity. Rehefa nigadona ny tamin’ny 11 ora alina dia niroso tamin’ny fandorana ny trano manontolo izy. Rehefa vita izany dia nitsoaka avy hatrany izy. Soa ihany anefa fa tafavoaka ny trano ilay ramatoa vadiny na dia naratra mafy aza fa ny entana rehetra kosa dia kila forehitra avokoa ary tombanana ho 3 600 000 Ariary ny levona tamin’izany. Mbola karohina ity lehilahy nahavanon-doza ity hatramin’izao ary ny borigady Ambohimangakely no misahana ny famotorana rehetra.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







