Antsirabe – Roa vavy hamonjy fialantsasatra tsy hita popoka
Rehefa fety tahaka izao matetika dia manjaka ny tsy fandriam-pahalemana eraka ny tanàna indrindra fa ny fangalaran-jaza. Betsaka noho izany ireo ankizy, eny fa hatramin’ny olon-dehibe rehefa vanim-potoana tahaka izao. Eo anatrehan’izany betsaka ny fitarainana tonga any amin’ny polisy. Omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any dia tranga hafa kely mihitsy no niseho. Roavavy nalefan’ny havany taksiborosy, koperativa Santatra, handeha hamonjy fialantsasatra aty Antananarivo no tsy hita popoka. Raha ny voalaza dia fiara Mazda miloko volondavenona no nitondra azy ireo, izay marihina fa vahiny ary vao 16 taona monja. Raha ny tokony ho izy dia lalana adiny telo raha ela indrindra Antsirabe – Antananarivo saingy rehefa tonga ny tamin’ny iray ora tolakandro dia tsy mbola tonga teny amin’ny fasan’ny karana ihany izy mirahavavy kely. Nitaintaina noho izany ireo fianakaviana nitsena azy ka niantso ilay fiara nitondra azy ireo.
Teo no nilazan’i Gervais, nitondra ilay Mazda fa maty eo Behenjy ny fiarany ka tsy maintsy namboarina. Nilaza ity farany fa voatery nafindra fiara hafa ny mpandeha rehetra ka Sprinter fotsy no nitondra azy ireo tamin’izany. Nanontaniana ny laharan’ny fiara sy ny sofera nitondra ilay fiara hafa anefa izy dia nilaza fa tsy tadidiny akory noho ny fahamaikana. Natao ny fitadiavana io fiara Sprinter io teny amin’ny fasan’ny karana ary rehefa nanontaniana ny nitondra azy dia nanamarina fa nitondra azy roavavy tokoa izy saingy rehefa tonga teny an-toerana dia tsy hitany izay nalehany. Ireto farany anefa dia vao sambany vao hakaty an-drenivohitra ary tsy mahalala na inona na inona, na anaran-tanàna na ny misy ireo havany. Mipetraka noho izany ny fanontaniana hoe lasa aiza amin’ity andro fety ireo zazavavy roa ireo satria hatramin’izao dia mbola tsy hita ny misy azy. Mitaintaina ny fianakaviana ary manantena ny fiaraha-miasa amin’ny mponin’Antananarivo sy ny koperativa nandehanany. Efa nanao fampahafantarana tamin’ ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona sy ny heloka mamoafady ary ny borigady ny zandarimaria Antananarivo renivohitra koa ny fianakaviana.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







