Tompony mangataka atiny !
Nanamarika ity taona 2016 efa madiva hivalona ity ny disadisa sy savorovoro nateraky ny fanomezana tany misy harena ho an’ny vahiny. Niraradraraka ny fahazoan-dalana nomena ny sinoa nefa ny malagasy tompon-tanindrazana dia tsy nampilazana fa efa mahita ny teknisianina mamariparitra sy ny fitaovana vaventy vao samy talanjona. Saro-pady amin’ny malagasy anefa ny tany satria nipoirana sy nivelarana ary eo ihany koa no hiafarana. Amin’iny manodidina an’Anjeva iny izao dia tany amina hektara marobe no nomen’ny Fanjakana ho trandrahin’ny sinoa. Ny rano fisotro, ny fambolena sy fiompiana, ny asa fivelomana, ny trano fonenana sy ny tanàna ary indrindra ny tanidrazana hilevenana dia tena tandindomin-doza amin’izao ataon’ny fanjakana sy ny sinoa izao. Mazava ho azy fa tsy maintsy harodan’ny vahiny ny fananan’ny malagasy rehefa azo ny fahazoan-dalana hitrandraka. Mbola tsy mety milamina ihany koa ny raharaha Soamahamanina sy ny fitrandrahana volamena ataon’ny sinoa. Naato ny fahazoan-dalana nomena ireo vahiny nefa kosa mitohy ny antsojay mahazo ny malagasy. Porofon’izany dia mbola any am-ponja i Julien Andriamananoro noho ny fidirany an-tsehatra tamin’ny fiarovana ny fahalalahan’ny mponin’i Soamahamanina haneho hevitra sy hitaky ny rariny sy ny hitsiny. Santionany ireo tranga noresahana ireo fa saika misy toy izany avokoa manerana ny Nosy. Omena ny vahiny izay tany rehetra heverina fa misy volamena sy vatosoa. Tsy zakan’ny malagasy anefa ny toy izany satria ny firenena mahantra fadiranovana ny harena omena trandrahin’ny vahiny. Tsy hita rahateo izay tena fiantraikan’ny fitrandrahana fa toa fotodrafitrasa kely tsy mankaiza akory no mody atsangana dia hoe mijery ny lafiny sosialy ireo mpitrandraka. Raha ny tokony ho izy mantsy dia omena ny Fanjakana avokoa ireo volamena rehetra azon’ny mpitrandraka vahiny ka ampahany kely no tambiny tokony ho azy ireo. Tsy azo hadinoina fa na ohatrinona fampiasam-bola ataon’ny vahiny na ohatrinona dia an’ny malagasy ny tany sy ny harena rehetra ao aminy. Raha tena vahiny mpampiasa vola tokoa dia mila manangana orinasa mamokatra tsy hangorona ny efa misy fotsiny.
Ny fitondram-panjakana anefa tsy manafina ary mamerimberina fa anisan’ny laharam-pahamehana amin’ny drafitra entina hampandrosoana ny firenena ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Tsy maintsy ny mpandraharaha vahiny ihany koa no asaina manao izany satria tsy manam-bola sy fitaovana ny malagasy. Tsy mitombina io fanazavana io satria maro ny orinasa malagasy no manana ny fahafahana rehetra hanao fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto saingy sakanana. Rehefa tsy hanome fanomezan-dalana ho an’ny mpandraharaha malagasy ihany koa ny Fanjakana dia tokony hanokatra orinasam-panjakana hanao izany fitrandrahana izany. Fiaramanidina aza voavidin’ny Fanjakana koa izay hametraka fotodrafitrasa hitrandrahana ny volamena sy vato sarobidy mba hanabontsinana ny kitapombolam-panjakana ve dia tsy ho vita. Lasa tompony mangataka atiny fotsiny sisa ny malagasy fa zarazaraina ho an’ny vahiny fotsiny ny harena. Raha tena mijery ny hoavin’ny firenena marina ireo mpitondra dia tokony hofoanan’izy ireo aloha ny fanomezan-dalana nomena ireo vahiny hitrandraka ny harem-pirenena. Raha tsy vitan’ny malagasy ny mitrandraka ny fananany dia aleo hijanona ao aloha satria tsy ho levona ireny fa mijanona ao ary mbola marobe ny taranaka any aoriana no hanana ny fahafahana hanao ny fitrandrahana. Ny tena mahagaga mantsy dia raha vao ny vahoaka malagasy madinika no mirohotra any amin’ny toerana heverina ho misy volamena sy vato sarobidy dia handefasana mpitandro filaminana mahery vaika hanenjika azy ireny. Ny vahiny anefa omena fahazoan-dalana ara-dalàna handripaka sy hitango ny harem-pirenena.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







