Bongolava – Dahalo telo mpamatsy basy traha tehaka
Ela nitoratorahana ka nahavoa voamason’angatra. Maro ny manontany tena ny amin’ny fiavian’ireny basy entin’ny jiolahy sy malaso manafika sy mangalatra omby ireny. Manana basy ary nahazo alalana avy aiza daholo ireo olon-dratsy mampiasa ireny fitaovam-piadiana ireny. Ny valiny dia tsotra ihany, misy ireo mpamatsy basy na vita gasy izany na tsia, ary matetika dia mpitandro filaminana ihany no ao ambadik’izy ireny. Tamin’ity indray mitoraka ity indray dia dahalo mihitsy no mpamatsy basy vita gasy ireo namany entina manafika tanàna maro ao Bongolava. Tra-tehaky ny zandary avy ao Bongolava tamin’iny faran’ny herinandro teo iny ny dahalo miisa telo fantatra fa mpamatsy basy. Basy PA vita gasy 9 mm sy basy vita gasy kalibra 12 no tratra niaraka tamin’izy ireto. Marihina fa fiaraha-miasa tamin’ny fokonolona no nahafahana nisambotra azy ireo. Naiditra avy hatrany any am-ponja moa ireto mpanao ratsy ireto.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







