Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Mahajanga – Zazalahy 4 tsy ampy taona, tratra nanendaka

Sarotra tokoa ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora ankehitriny.  Rehefa dinihina dia antony maromaro no mahatonga izany. Fahiny, na inona na inona fitsipika apetraky ny ray aman-dreny ao an-tokantrano hifampifehezana dia mankato sy manaraka izany ny zanaka. Manana fahefana hikapoka ny mpanabe any an-tsekoly rehefa manao ditra na tsy mahay lesona ny mpianatra… Amin’izao fotoana anefa miova endrika ny tontolon’ny fanabeazana, ny zanaka no te hifehy ny ray aman-dreny, tsy maintsy mahazo izay ilaina ka raha sendra tsy misy eo am-pelatanana dia mandrahona ny hitsoaka na mitrerona ireo nahitana masoandro ary tena mahavita mangalatra na mivarotra ny zavatra ao an-tokantrano aza ny sasany . Any an-tsekoly indray dia misy ny ray aman-dreny tsy mamela ny zanany hobeazina fa handray fahalalana fotsiny ihany. Ny lalànan’ny fampitana fahalalana anefa dia tsy afa-misaraka ny fanabeazana sy fampianarana.

Omaly alatsinainy 26 desambra àry dia mpianatra fito  mirahalahy no tratran’ny mpitandro filaminana nanendaka ny mpiara-mianatra amini’izy ireo tany Mahajanga, teo amin’ny lalana mihazo ny Gymnase Couvert. Mety efa tsikaritr’izy ireo fa nisy fakan-tsary tao anaty kitapon’ity namany ka niandrasan’izy ireo tamin’ny firavana.  Araka ny loharanom-baovao, avy hatrany  dia nikapoka ity lasibatra ny iray, ny hafa nisintona ilay kitapo nisy ity fitaovana sarobidy. Niantso vonjy izy ka tonga ny polisy ary nisambotra ireo zaza maditra avy hatrany.   Tafatsoaka ny telo tamin’izy ireo fa ny efatra kosa voatazon’ny manam-pahefana. Tena mbola zaza avokoa satria vao 13 hatramin’ny 17 taona monja dia efa mahavita asa maizina toy izao. Efa eo am-pelatanan’ny manam-pahefana ny famotorana ireto zaza mbola mpianatra efa mahavita asan-jiolahy ireto. Tokony samy hiezaka ho hentitra amin’ny fanabeazana ny tompon’andraikitry ny fanabeazana rehetra satria misy diso fiheverana ny sasany ka te hifehy ray aman-dreny sy ny mpanabe ary rehefa anarina na bedesina amin’izay tsy mety natao dia mandositra miala ny tokantrano. Eo koa ireo te haka tahaka ny namana ka mahavita mangalatra rehefa tsy manana fahafahana ny ao an-trano.

Tahirisoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre