Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Fifaninanan-kira – Ho any Lafrantsa i Tendry

Notanterahina ny andron’ny Krismasy teo ny famaranana ny fifaninanan-kira mitondra ny lohateny hoe « La Voix d’or » izay nokarakaraina ho an’ny ankizy mankafia hira taloha. Mpifaninana an-jatony maro no nisoratra anarana tany am-piandohana saingy rehefa nandeha ny fifaninanana dia vitsy sisa  no tavela ireo izay mahay mihira indrindra ka voasafidy handray anjara tamin’ity famaranana ity. Taorian’ny seho notanterahin’ny ankizy tsirairay dia i Tendry no voasafidin’ireo mpitsara telo mianadahy izay nahitana an’i Jaojoby, Anyah ary Deenyz. Sidina mankany amin’ny Disney land ao amin’ny renivohitry Lafrantsa no loka goavana azony tamin’izany. Fivahinianana izay hotanterahiny miaraka amin-drainy sy olona iray safidiny. Marihina fa toerana anisan’ny tsara indrindra ary tian’ny ankizy indrindra ao Parisy izy io ary kilalao tsy fahita firy no tena maro ao. Ankoatra izay dia nahazo solosaina azo entina mandehandeha koa i Tendry ankoatra ireo loka maro tsy voatanisa. I Tendra izany no feo tsara indrindra na « Voix d’or ». Mampanantena andiany faharoa sahady ireo mpikarakara.

T.A.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre