Fankalazana ny noely – Olona 3 matin’ny toaka
Matetika ny famaritan’ny maro ny atao hoe fety dia fimamoana. Misy mihitsy aza mahavita manao trosa toaka rehefa mahatsiaro fa tsy mbola mamo tanteraka raha toa ka tsy ampy ny eo am-pelatanana. Maro ireo tsy mahatsiaro sakafo fa avy hatrany dia misotro ka mety hitarika any amin’ny fahafatesana. Faritra maro teto amin’ny nosy no naharenesana olona maromaro matin’ny toaka nandritra iny noely 2016 iny. Lehilahy iray 39 taona no matin’ny toaka tao an-tranony tany amin’ny fokontany sy kaominina Ivato Aéroport, distrika Ambohidratrimo ao anatin’ny faritra Analamanga ny alahady 25 desambra 2016 tamin’ny 2ora sy 25 minitra maraina. Araka ny fizahana nataon’ny mpitsabo dia maty noho ny hamamoana izy io. Nidina teny an-toerana ihany koa ny zandary avy eny Ivato nanao ny fanadihadiana sy ny famotorana ary voamarina fa tsy fahampian-tsakafo sy toaka no nahafaty azy.
Olona roa ihany koa no matin’ny toaka tany Antsirabe, izay renivohitry ny faritra Vakinakaratra nandritra iny alahady nankalazana ny fetin’nykrismasy iny. Raha ny vaovao avy any an-toerana dia ny iray tonga tao ny alahady maraina saingy efa tsy avotra intsony ary ny iray hafa kosa hita faty teny an-dalana. Rehefa natao ny fizahana ny antony izay nahafaty azy ireo dia vokatry ny fisotroan-toaka avokoa. Ny sakafo nohanina anefa tsy zarizary ka tsy zakan’ny aina ny fatra tafiditra amin’ny vatana. Na eo aza izany fahafatesana vokatry ny tsy fahafehezan-tena izany dia fantatra tamin’ny loharanom-bavao ihany koa fa nahatratra sivy ireo zaza teraka nandritra ny faran’ny herinandro tao amin’ny hopitaly Atsimo-Antsirabe.
Tahirisoa
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







