Fanafihan-jiolahy – Norobaina ny entana avy eo notsatohany antsy ilay vehivavy
Tsy milamina ny tanàna, indrindra rehefa ao anatin’ny fety tahaka izao. Fotoana tena anararaotan’ireo mpanao ratsy mantsy amin’izao satria maro ireo olona mivoaka alina sy miantsena. Fa na tsy ireo olona mivoaka ny trano aza fa ireo toeram-pivarotana maro isan-karazany dia lasibatra avokoa. Tahaka ity nitranga tao amin’ny fokontany Mangarivotra ao amin’ny kaominin’i Mahajanga ity ny marainan’ny 24 desambra lasa teo. Jiolahy miisa telo nitam-piadiana mahery vaika toy ny antsy lava lela sy basy gasy no indray nanafika toeram-pivarotana fahana amoron-dalana. Raha ny nambaran’ireo nanatri-maso teo amin’ny manodidina dia ny fahitan’izy ireo fa vehivavy no mpivarotra no tena nandrisika azy ireo handroba. Tsy dia nisy olona koa moa teo amin’ny manodidina ka tsy nisalasala ry zalahy namoaka antsy sy tonga dia nandroba ilay ramatoa. Raha ny vaovao azo dia ny iray mody nividy fahana 5 000 Ariary ary ny roa nanaraka avy ao afara. Tampotampoka teo anefa namoaka antsy ry zalahy ary avy dia nandrahona azy hanome ny fahana rehetra, ny finday ary ny vola rehetra tany amin’ilay ramatoa. Lasan’izy ireo tamin’izany ny kitapo nisy lelavola mitentina 1 000 000 Ariary sy ny karatra famahanana Telma, Orange ary Airtel, izay mitentina 600 000 Ariary. Rehefa azon’izy ireo izay nilainy dia notsindromin’izy ireo tamin’ny antsy lava lela ny tongotr’ilay mpivarotra. Naratra mafy ity farany tamin’izany ary betsaka ny rà very. Vao lasa kosa ireo jiolahy dia niantso avy hatrany ny laharana maitso 119 ilay ramatoa ka nihazo ny toerana misy azy haingana ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Cirgn. Raikitra avy hatrany ny fifanenjehana ary tovolahy vao 19 taona monja no tra-tehaka niaraka tamin’ilay antsy nampiasainy. Ny jiolahy miisa roa kosa tafaporitsaka miaraka amin’ny vola sy ny fahana rehetra. Notazomina ao amin’ny borigady Mahajanga io mpandroba io ary nalefa eny amin’ny Chu Androva kosa ilay naratra.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







