Mirongatra ny mpitady seza
Nivoaka tampoka indray ny resa-be mahakasika ny mety hisian’ny fanovana governemanta amin’io taona vaovao hitsidika io. Ny tena mahagaga dia mivoy io avokoa ny mpanao politika avy amin’ny firehana rehetra. Hatramin’ny olon’ny Hvm aza dia maro ireo mandrangaranga ny tokony hanoloana ny minisitra sasantsasany. Ny mpanohitra ihany koa dia manomboka mitodika amin’ny fitakiana ny fanamboarana eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka. Mizara roa ny fitakiana : misy ireo milaza mazava fa ny praiminisitra sy ny governemanta iray manontolo mihitsy no mila soloina. Ny hafa kosa indray dia mangataka ny hanoloana minisitra sasantsasany. Saika mifantoka amin’ny fampiadiana an-kolaka ny filoha sy ny praiminisitra ny tetikady ampiasain’ireo te hahazo seza ka manao izay hanovana ny governemanta.
Amin’ny ankapobeny dia hita mazava fa maro amin’ny mpanao politika no hahazo tombontsoa amin’ny fandravana ny governemanta ankehitriny. Tsy vitsy ireo olon’ny antokon’ny fitondrana no mitady toerana mafy ary manao ny fomba rehetra hanilihana ny hafa, eny fa na dia ny mpiray antoko aminy aza. Ny mpanohitra ihany koa efa te hiditra ao anaty fitondrana amin’ny alalan’ny fiaraha-mitantana satria mahita fa ho sarotra ny handrodana io Fanjakana io mandra-pahatapitry ny fotoam-pitondran’ny filoha. Te hahazo seza ny rehetra satria hanam-bola io fitondram-panjakana io manomboka ny taona 2017. Raha tsy resa-be fotsiny mantsy ilay famatsiam-bola 6,4 miliara dolara nampanantenain’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena dia tsy maintsy hitobaka ny vola ampiasin’ny fanjakana amin’ny alalan’ireo minisitera tsirairay. Izany hoe hisy tombontsoa mihoa-pampana ho an’izay tompon’andraikitra sy ny forongony ao anaty Fanjakana amin’io taona ho avy io. Tsy mahagaga raha manao izay azo atao rehetra ny mpanao politika mba hahazoana toerana. Ny fidirana ao anaty Governemanta no fomba tsotra sy mahomby indrindra hahafahana mitavana ireo famatsiam-bola amina miliara dolara ireo. Iaraha-mahalala anefa fa feno ny mpikambana ao amin’ny Governemanta ary tsy afaka ny hamorona minisitera vaovao fotsiny amin’izao ny Fanjakana. Ny fangatahana ny fandravana ny governemanta no fomba mahomby indrindra hahafahan’ireo mpitady seza miditra ao amin’ny alalan’ny fanendrena vaovao rehefa rava io governemanta ankehitriny io.
Sarotra ny fandidiana satria raha ny governemanta mjoro ankehitriny dia hita fa nahavita niaro ny fitondram-panjakana hatrany na dia teo aza ny zava-nitranga maro sy ny tsy fahombiazana isan-karazany. Maro ireo nangataka ny hialan’ny filoham-pirenena ary nanao hetsika sy fitakiana fa vitan’io governemanta io ny nampilamina izany. Betsaka ny teny sy fanapahan-kevitra tsy voahevitra sy niteraka fahasorenana ho an’ny vahoaka izay nataon’ny mpitondra ambony nefa mbola vitan’io governemanta io hatrany ny nampangina ny vahoaka na dia maro aza ny tofoka.
Iaraha-mahalala ihany koa anefa fa tia manova praiminisitra isan-taona ny filoham-pirenena ankehitriny. Efa fanintelony izao io praiminisitra io ary azo heverina ny mbola hisian’ny faninefany sy ny fanindiminy mandra-pahatongan’ny taona 2018. Any amin’ny filoham-pirenena izany ny fanapahan-kevitra mahakasika ity resa-be momba ny fanovana governemanta ity.
Aleo ny taona vaovao no haneho na mitombina izany na tsia. Ny malagasy rahateo tsy te hahalala na iza tendrena eo na iza fa ny asa fampandrosoana sy vokatra mivaingana misy fiantraikany amin’ny fari-piainan’ny isan-tokantrano no andrasan’ny vahoaka. Efa hifarana ity ny telo taona nitondran’ny filoha nefa tsy tena hita mivaingana izay tena asa fampandrosoana napetraka teto amin’ny firenena. Vao mainka aza niharatsy ny fiainan’ny malagasy nohony firongatry ny tsy fandriam-pahalemana, ny delestazy ary ny fiakaran’ny vidin’entana rehetra.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







