Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Antsahatavolo – Olona miisa 03 mpivarotra basy tra-tehaky ny zandary

Ny fiaraha-miasa eo amin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ihany matetika no tena mahomby raha te hisambotra ireo andiana mpanao ratsy ao amin’ny tanàna iray. Tahaka izany indrindra ity niseho tao amin’ny fokontany Antsahatavolo ao aminn’y kaominina Miandrarivo ity ny alahadin’ny Krismasy lasa teo. Olona tsara sitra-po mantsy no nanome vaovao ny zandary tao Tsiroanomandidy nilaza fa misy olona miisa telo mpivarotra basy ao an-tànana. Nilaza ity olona ity fa ao amin’ireo olona ireo avokoa ireo dahalo sy mpamono olona rehetra ao an-tanàna no manofa sy mividy basy. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny zandary nisahana ny raharaha ary niroso tamin’ny fisavana ka  tratra soa aman-tsara tao tokoa ireo olona ireo. Nahatratrarana basy vita gasy iray miaraka amin’ny balany ary basy “pistolet” miaraka amin’ny bala tao an-tranon’ireto olona ireto. Nosamborina avy hatrany izy telo mirahalahy ireo ary ny polisim-pirenena ao Tsiroanomandidy no misahana ny famotorana rehetra.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre