Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Claude Raharimanana – « Ny faharatsian’ny lalana no mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana »

Ankoatra ny loza mahatsiravina mety haterany dia anisan’ny tena mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana eo amin’ny toerana iray ihany koa ny faharatsian’ny lalana. Ankoatra ny lalam-pirenena maro izay tena mbola ao anatin’ny fahapotehana tanteraka dia efa ahitana fahasimbàna ihany koa amin’izao ireo lalana izay hany mba nahitàna fanamboarana tamin’ity taona ity, na eto an-drenivohitra izany na any amin’ny faritra. Tsy manara-penitra mantsy ny fanamboarana ireny fotondrafitrasa ireny eto amintsika satria maika hahavita zavatra fotsiny ny fanjakana ka atao peta-toko ny asa izay atao mba hanasoavana ny vahoaka. Ankehitriny dia maro ireo mampiaka-peo manoloana ny fahapotehan’ny lalana eto Madagasikara. Fahasimbana izay mampiti-doza ho an’ny vahoaka malagasy. Anisan’izany i Claude Raharimanana, Ben’ny tanànan’i Sabotsy Ambohitromby izay nanambara fa tena nampiakatra ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny faritra misy azy ny faharatsian’ny lalana. Araka ny voalazany dia vao mainka niha mafy sy niha maro ireo trangam-panafihana any an-toerana amin’izao fotoana izao, indrindra hatramin’ny nahasimba tanteraka ny lalana any amin’iny distrikan’Andramasina iny. Raha ny voalazany ihany dia lasa efa ho isan’andro no mampitondra faisana ny mponina ireo dahalo manakan-dalana ary mirongo fitaovam-pihadiana mahery vaika. Vao haingana tokoa no nisehoana trangam-panafihana mahery vaika teny amin’ny kaominina tsy lavitra an’Andramasina. Vola an-tapitrisany maro hatrany no very isaka ny fanafihana ary maro koa ireo maratra sy mamoy aina amin’ny fiarovana ny fananany. Manao antso avo amin’ireo fahefana mahefa, indrindra fa ny fanjakana noho izany ny vahoaka izay voakasika voalohany amin’izany. Ao anatin’izany ireo monina ao Andramasina sy ny manodidina azy, izay miaina ao anaty tebiteby lava.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre