Ilanivato Anosipatrana – Voasambotra ilay tovolahy namaky ny tranon’ny havany
Tanana zatra mitsotra ka tsy afa-mivokona intsony, ary mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no aripaka. Tovolahy iray no nangalatra tao an-tranon’ny havany ny alin’ny 24 desambra 2016. Nandeha namonjy toeram-pilanonana izy mivady tompon-trano niaraka tamin’ ny tovolahy iray avy any Nosy Be, izay nivahiny tao amin’izy roa. Rehefa tonga ny tamin’ny 01 ora maraina, nangataka fanalahidy tamin’ilay ramatoa ilay tovolahy izay nilaza fa te hatory ka handeha hody. Natoky tanteraka ity tompon-trano ka nanome izany tsy amim-pihambahambana azy. Nony tonga ny tamin’ny telo ora maraina ; nody ihany koa izy mivady. Gaga tanteraka anefa satria nikorontana ny trano, indrindra ny efitrano fatorian’izy ireo. Lasan’ity jiolahy tamin’izany àry ny vola mitentina 320 euros, tablette 01, fakan-tsary 01, finday 02 ary ireo atontan-taratasy samihafa azy mivady toy ny tapakila mandroso sy miverina makany Maorisy. Nampandre ny polisy avy hatrany izy ireo ka voasamboatra teny teny Ilanivato Anosipatrana tamin’ny ity olon-dratsy ity ny 25 desambra 2016, tamin’ny 07 ora maraina. Voaporofo tamin’ny fanadihadiana azy fa izy no nanao ny fandrobana tao an-tokantranon’izy ireo. Araka ny loharanom-baovao dia vao avy nangalatra sy nivarotra ny volamenan’ny anabaviny tany Ambilobe izy ary nitsoaka aty an-drenivohitra ka nialokaloka tao amin’izy mivady teny Anosipatrana ireo. Antony mahatonga ny tanora maro mirona amin’ny asa ratsy toy izao ny fihenan-danjan’ny fanabeazana. Mitory teny an’efitra ny mpanabe satria ny fivoaran’ny fanatontoloana no tena heverin’ny maro ho fandrosoana ka lasa mahavita manao ny tsy fanao. Tsy manam-paharetana amin’ny asa fa te hanan-karena ao anatin’ny fotoana fohy hany ka roboka amin’ny halatra sy fametsifetsena ary ny bizina isan-karazany.
Farah
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







