Sambava – Nanolotra fanomezana ny vadin’ny depiote Zoky Vonjy
Isan-taona dia anisan’ny zavatra mahafinaritra ny maro ny mahita ireo zaza teraka ny andron’ny Krismasy, indrindra fa ilay sasak’alina iny. Mampatsiahy ny nahaterahan’ny Tompo mantsy ny andron’ny krismasy ka lasa toa manan-danja eo amin’ny fiainan’ny olona maro izany. Tamin’ity taona ity dia nisafidy manokana ny hanolotra fanomezana ho an’ireo zaza teraka krismasy ny vadin’ny depiote ao Sambava, Behavana Harivonjy, fantatra amin’ny anarana hoe Zoky Vonjy. Niisa enina ireo zaza teraka tamin’iny krismasy iny raha ny tao amin’ny hopitalibe Sambava no asiana resaka. Lahy ny roa, vavy ny efatra ary kambana ny roa tamin’ireo vavy ireo. Nitondra fanomezana toy ny lamba fitafy sy kojakoja isan-karazany momba ny zaza ny vadin’ny depiote tamin’izany, ankoatra ny toro-hevitra maromaro nomeny ireo tera-bao, amin’ny maha renim-pianakaviana azy. Tanora 24 taona no zandriny indrindra tamin’ireo vehivavy tera-bao. Ramatoa 40 taona kosa no zokiny indrindra niteraka ireo kambana mirahavavy omaly alatsinainy 26 desambra 2016, ary fanimptony amin’ny zaza naterany izy ireo.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







