Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Morondava – Jiolahy 03 maty voatifitra, 01 azo sambo-belona

Mbola manjaka manerana ny nosy ny tsy fandriam-pahalemana.  Tsy misy ny asa, ny vidim-piainana tsy mitsaha-miakatra , ho an’ireo izay manana asa kosa ny karama tsy miakatra firy. Azo lazaina ho antony goavana mahatonga io olana eto amin’ny firenena io rehetra voalaza ireo. Santionany ihany anefa ireo fa mbola betsaka ireo fototry mampanjaka ny tsy fandriam-pahalemana eny amin’ny fiarahamonina rehetra eny. Tsy misy faritra izay tsy andrenesana asan-jiolahy eto Madagasikara ary saika efa ho isan’andro mihitsy izany.  Tamin’ny alahadin’ny noely, 25 desambra 2016 teo rehefa mivoaka omby iny na tamin’ny 9 ora maraina dia nisy jiolahy miisa 8 mirongo basy FC nanafika tranombarotra iray tany amin’ny Fokontany Namahora, distrikan’i Morondava, faritra Menabe. Mbola teo am-panaovana ny asa ratsiny anefa ireo jiolahy no sendra nandalo tampoka ny zandary nanao fisafoana. Tsy nisalasala ireto farany fa avy hatrany dia nandray ny andraikitra manandrify azy ireo manoloana ireo olon-dratsy. Raikitra tamin’izay ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta.  Vokany, lasan’ireo jiolahy ihany ny vola tao an-trano izay tsy fantatra mazava ny isany. Jiolahy telo maty voatifitry ny mpitandro filaminana. Ny iray azo sambo-belona, izay mbola nahatratrarana lelavola mitentina 612 000 ariary teny amin’ity farany. Ny sisa kosa tafaporitsaka.  Tsy nisy kosa ny zandary voan’ny balan’ireo jiolahy ary tsy nisy naratra ihany koa ny tao amin’ilay tranombarotra notafihan’ireo jiolahy. Ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Morondava no misahana ny fanadihadiana ary mitohy ny fikarohana ireo efatra tafatsoaka.

Tahirisoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre