Eo an-tanim-piadiana
Mitohy ny tolona! Naverimberin’ny vahoakan’i Soamahamanina sy ny mpanao politika avy amin’ny Mapar io teny io tamin’ny talata lasa teo taorian’ny nivoahan’ny didim-pitsarana nanamelohana 3 vola am-ponja, sazy mihantona ho an’i Augustin Andriamananoro. Ny fandraisana anjara tamin’ny hetsi-bahoaka tsy nahazoana alalana io nahazoany sazy io. Faly sahirana ny mpomba an’i Augustin Andriamananoro tamin’io didim-pitsarana io. Faly satria afaka nivoaka ny fonja i zokilahy nefa kosa sahirana noho ny sazy mbola mitambesatra aminy. Io antony io no nilazan’ny vahoaka sy ny mpanao politika fa mitohy ny tolona. Fijoroana ho an’ny fiarovana ny tanindrazany mantsy no nahitan’i Augustin Andriamananoro loza. Tonga nanotrona sy nijery ny hetsi-bahoaka izy ary niezaka nanao fanelanelanana tamin’ny mpitandro filaminana mba hisorohana ny fifandonana. Avy eo izy nanao tatitra sy nijoro vavolombelona tamin’ny fahitalavitra ka nitantara ny zava-nitranga hitany sy niainany. Fisamborana sy fanagadrana anefa no setrin’izany avy amin’ny mpitondra Fanjakana. I zokilahy Augustin sy ny mponin’i Soamahamanina aloha hatramin’izao no fantatra fa nitondra ny mafy tamin’ny famoretana satria izy ireo no sahy nijoro voalohany niaro ny tanindrazany tsy horobain’ny vahiny. Raha mitohy izao fomba fanaon’ny mpitondra izao dia ho maro ny malagasy no hosamborina ary ampidirina am-ponja amin’io taona ho avy io. Marobe mantsy ireo fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany nomena ny vahiny izay heverina fa hanomboka amin’ny taona 2017 io. Ny tena tsy zakan’ny malagasy ary tsy ekeny na oviana na oviana dia ny tanindrazana manan-tantara mihitsy no nomena ny vahiny. Eny Anjeva eny izao dia tany hektara maromaro no nomena hotrandrahin’ny sinoa nefa iny toerana iny sy ny manodidina azy dia mirakitra ny tantram-pirenen’i Madagasikara indrindra ny fiandohan’ny fanjakana merina tamin’ny andron’ny faha-mpanjaka. Toerana fandevenan’ny mponina eto an-drenivohitra izay avy any amin’iny faritra iny ihany koa any Anjeva ary ahiana ny hisian’ny fasana an-jatony vaotery harodana rehefa lasan’ny sinoa eo ny tany. Santionany kely io fa marobe ireo toerana voazimbazimban’ny fitrandrahana ataon’ny vahiny manerana ny Nosy. Mazava ho azy fa tsy hanaiky izany ny malagasy ary hijoro hanohitra hatramin’ny farany. Io antony io no mahatonga ny rehetra hiteny hoe mitohy ny tolona. Tolona ho fanohanana ny fitiavan-tanindrazana no atao fa tsy tolona fanonganam-panjakana sanatria. Mijoro sy miady ho fiarovana ny fananam-pireneny sy ny tanindrazany ny malagasy fa tsy sanatria manangan’ady amin’ny vahiny. Izany hoe raha tena tia tanindrazana ireo manam-pahefana isan-tandrifiny dia mila mandray andraikitra hisorohana ny mety hisian’ny disadisa eto amin’ny firenena. Ny tena tsara indrindra dia ny fanafoanana ireo fahazoan-dalana nomena ny vahiny hitrandraka ny harena an-kibon’ny tany eto amintsika. Tsy ny rehetra akory no foanana fa izay miteraka disadisa eo anivon’ny fiarahamonina. Tsy azo lavina mantsy fa misy ihany ireo fitrandrahana vitsivitsy no manaraka ny fenitra ilaina no sady ihany koa tena mitondra asa fampandrosoana ny toerana sy ny vahoaka monina manodidina eo. Rariny sy hitsiny izany satria an’ny malagasy ny harena an-kibon’ny tany ary ny vahoaka malagasy no tokony hisitraka izany mialoha. Misy tolona foana eto raha tsy misy ny mangaraharaha mahakasika ny fanomezana ireny tany ireny ho an’ny vahiny. Tsy adala ny vahoaka ka hanakana izay tombontsoa mety ho azy fa matoa misy ny fihetsiketsehana sy ny fandavana dia misy tsy mazava ny fomba nanomezana ireny harena an-kibon’ny tany ireny ho an’ny vahiny. Raha ny tena tokony ho izy dia mila mijoro sy mitolona ho an’ny tombontsoam-bahoaka ihany koa ny mpitondra. Raha izany no mitranga dia hahazo ny fanohanan’ny vahoaka izy ireo ary handroso haingana ity firenena ity.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







