Fokontany Loharanombato – Voasambotra ireo jiolahy valo nampikolay ny iray tanàna
Mpamaky trano efa ikoizan’ny maro nandritra ny fotoana ela ireto tra-tekaky ny polisim-pirenena ireto ny talata lasa teo. Valo mianadahy izy ireo ary taorian’ny fitarainana mahakasina vaky trano sy halatra niseho ny alin’ny Krismasy lasa teo izay voarain’ny mpitandro filaminana no nahafahana nisamboatra azy ireto. Fitarainana am-polony mantsy no voarain’ny polisin’ny Loharanombato ary taorian’ny fanadihadiana dia fantatra fa i Dany ny iray tamin’ireo mpandray anjara tamin’ny famakiana trano ary nosamborina avy hatrany teny amin’ny trano fonenany teny Ampefiloha Ampitatafika ny 26 desambra lasa teo. Tsy nanana safidy fa tsy maintsy nanoro ny namany rehetra ity farany ary voasambotra niaraka taminy ihany koa ny rafozam-baviny izay mpivarotra ny entana avy angalarina rehetra. Ny talata lasa teo kosa no nosamborina ny jiolahy efatra hafa mitondra ny anarana hoe Santatra, Vololona, Boly, Emilie ary i Lalaina ary tamin’ny fanadihadihana natao no nahafantarana fa ny telo tamin’ireo ihany no atidoha nikotrika ny famakiana trano rehetra. I Dany kosa no mpanome torolalana momba ny trano vakiana. Ireto vehivavy izay tafiditra ao anatiny ihany koa no misahana ny fivarotana ny entana azo ary efa misy mpaka azy ireo mihitsy. Aterin-dry zalahy eo antokotany amin’ny andro alina ny halatra ary izy ireo no mampirina azy ao an-tokatranony. Nambaran’izy ireo fa amin’ny misasak’alina ka hatramin’ny maneno akoho no anatanterahan’izy ireo ny asa ratsiny. Niaiky ny heloka vitany avokoa izy ireo ary ireo entana sy kojakoja halatra toy ny vilany, solosaina, finday, lamba sy kiraro isan-karazany hita tao an-tranon’izy ireo dia mbola manaporofo ny asa ratsy vitany. Marihina fa efa nisazy im-betsaka izy ireto ary tafiditra amin’ny raharaha famonoana olona sy fanafihana maro ary ny iray tamin’izy ireo aza dia vao nivoaka ny fonja ny 11 desambra teo dia izao tratra izao sahady. Namany hafa roa sisa no karohina. Ny mponina eny Loharanombato kosa amin’izao dia faly tamin’ny fahatratrarana ireto jiolahy ireto.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







