Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Groupe Anefa – Notolorana fankasitrahana ireo mpampianatra zokiny

Andro vitsy sisa no isaina dia hifarana ny taona 2016 ka handray ny taona vaovao 2017 isika. Efa misy sahady ny sendika manomana izany taom-baovao izany amin’ny fampifaliana ny mpikambana ao aminy, amin’ny alalan’ny fanomezana isan-karazany. Anisan’ ny nanomboka izany ny groupe Anefa na ny ( groupement des associations nationales des enseignants et fonctionnaires et non fonctionnaires en action) tarihin’ny Lova Randrianasolo izay nanatanteraka hetsika fanomezana solombodiakoho omaly tetsy Mahamasina ho an’ny mpampianatra be taona manomboka eo amin’ny 55 taona miakatra, izay nahavita be teo amin’ny sehatry ny fampianarana. Ny Dren Analamanga no nanombohana ny hetsika izay ahitana ny Cisco AnalamaNga, Ambohidratrimo, Avaradrano, ary Atsimondrano no nisitraka ny fanomezana. Misy amin’ireo mpampianatra ireo tokoa mantsy no efa 20 taona mahery no teo amin’ny sehatry ny fampianarana fa mbola tsy voaray ho mpiasam-panjakana hatrami’izao, ka izany indrindra no nanaovan’ny filohan’ny groupe Anefa antso avo ho an’ny, fitondram-panjakana mahefa, manomboka amin’ny filoham-pirenena,   ny Ministeran’ny fanabezam-pirenena, ny ministeran’ny asam-pajakana ary ny ministeran’ny vola sy ny teti-bola mba hijery manokana ny mpampianatra, indrindra ireo be taona mba horaisina ho mpiasam-panjakana amin’izay.

Raha tsiahavina tokoa mantsy hoy ny mpitarika Lova Randrianasolo Filoha nasionalin’ny Groupe Anefa dia tsy mbola nisy fahatsiarovana manokana ny mpampianatra fram hatramin’izay indrindra rehefa asaramanitra tahaka izao ka izany indrindra no anombohana izao hetsika izao. Tsy hijanona hatreo anefa ny hetsika izay ataon’izy ireo fa hitohy hatrany amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Ny Groupe anefa moa dia efa mijoro ara-dalàna sy ara-panjakana ny volana novambra lasa teo.

Mamisolo

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre